Torkmena (vahoaka)

Ny Torkmena, izay antsoina indraindray hoe Tiorka Torkmena, dia vondrom-poko torkika teratany any Azia Afovoany, monina indrindra any Torkmenistàna, sy any amin' ny faritra avaratra sy avaratra-atsinanana amin' i Iràna, ary any avaratra-andrefana amin' i Afganistàna.

Torkmena manao fitafiana nentim-paharazana

Miisa 7 140 000 izy ireo ankehitriny, ka ny 4 248 000 any Torkmenistàna. Ny Torkmena koa dia vondrona manan-danja ao Iràka (miisa 1 500 000 any ho any), ao Iràna (miisa 1 329 000 any ho any), ao Afganistàna (960 000 any ho any), ary koa ao Siria. Misy vondrona torkmena be dia be koa ao Ozbekistàna, any Kazakstàna, ary ao Kaokazy Avaratra (Krain' i Stavropol). Miteny torkmena izy ireo, izay sokajiana ho anisan' ny sampana ôgozy atsinanana amin' ny fiteny torkika. Ohatra amin' ny fiteny ôgozy hafa ny fiteny tiorka, ny fiteny azerbaijany, ny fiteny kaskay, ny fiteny gagaozy, ny fiteny kôrasany, ary ny fiteny salary.

Atao hoe Türkmenler, Түркменлер, توركمنلر, [tʏɾkmønˈløɾ] na Türkmen türkleri, تور5كمک) izy ireo amin’ ny fiteny torkmena.

Tany am-piandohan' ny Andro Antenatenany, ny Torkmena dia niantso ny tenany hoe "Ôgozy" ary tamin' ny Andro Antenatenany dia naka ny anaram-poko hoe "Torkmena". Nifindra niankandrefana avy any amin' ny Tendrombohitra Altai namakivaky ny Lemaka Siberiana ireo Tiorka Ôgozy voalohany ireo, ary nanorim-ponenana tao amin' ny faritra antsoina ankehitriny hoe Torkmenistàna. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-11 ary nitohy hatramin' ny taonjato faha-18 ny fifindra-monina miankandrefana kokoa nataon' ny foko torkmena maro avy amin' ny tanim-pirenen' i Torkmenistàna ankehitriny sy ny sisa amin' i Azia Afovoany. Ireo foko torkmena ireo dia nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny fiforonan' ny vahoaka tahaka ny Tiorka Anatôliana, ny Torkmena any Iràka sy any Siria, ary koa ny vahoaka torkika ao Iràna sy ao Azerbaijàna. Mba hitandroany ny fahaleovantenany dia niray saina tao anatin’ ny fifanekena ara-tafika ny foko rehetra tavela tao Torkmenistàna ireo. Ny fiompiana sy ny fambolena, ny fiompiana omby ary asa tanana isan-karazany no asan’ izy ireo. Ny santionany fahiny amin' ny zavakanto ampiharina (indrindra ny karipetra sy ny firavaka) dia maneho ny haavolentan' ny kolontsain' ny zavakanto torkmena.

Ny Seljoka, ny Koarazmiana, ny Kara Kôionlo, ny Aka Kôionlo, ny Ôtômana, ary ny Afsarida dia inoana koa fa avy amin' ny foko torkmena (Kinika, Begdily, Iioa, Baiandora, Kaiy, ary Afsara).

Ny fivavahana silamo arahin' ny Torkmena dia ny sonisma, izay ahitana ny akon' ny mistisisman' ny sofisma (Ibn Arabi…), ary ho an' ny vitsy anisa - amin' ny ankapobeny tsy sonita – dia ahitana sisa tavela amin' ny fomba fanao samanika.

Jereo koa hanova