Ny Il Khan na Il-Khan na Ilkhan, Elkhan, sns, amin' ny fiteny torkika sy môngôliana, dia anaram-boninahitry ny mpitarika. Manambatra ny anaram-boninahitra khan amin' ny tovona el na il, avy amin' ny teny hoe ulus ("foko", "vahoaka", "firenena", "tanindrazana", "fanjakana", "fikambanam-poko", sns) io teny io. Ny tena hevitr' ilay teny dia miankina amin' ny teny hafa miara-miseho aminy anaty fehezan-teny sy ny zavatra resahina:

  • "Khan an' ny firenena". Ny firesahana voalohany ny amin' ny anaram-boninahitra manana io heviny io, Illig Qaghan, dia manondro an' i Bumin Qaghan (mpanorina ny kaganata na kanata torkika voalohany) ary niseho tamin' ny taona 552 (raha ny marina dia nanoratra ny anaram-boninahitr' i Bumin hoe ilkhan i Nikolai Gumilyov[1]);
  • Vao haingana kokoa, ny lehibem-poko nitarika ny sampana roa tamin' ny Baktiary (vondrom-poko), izay teo ambany fitarihan' ny khan maromaro (taonjato faha-20).

Ao amin' ny tontolon' ny tarana-mpanjaka Holagida, fantatra amin' ny anarana hoe Ilkanata (anglisy: Ilkhanate; frantsay:  Ilkhanat), ny anaram-boninahitra Ilkhan dia nentin' ny taranak' i Hulagu sy ny andriana Bôrjigina (Borjigin) hafa tany Persia, nanomboka tokony tamin' ny taona 1259 hatramin' ny1265. Roa ny hevi-teny naroso:

  • khan "manaiky", khan "tia fandriam-pahalemana", khan "mankatò", na khan "manompo" khan, na "andriandahy mpanapaka". Mety mitovy amin' ny teny sinoa hoe kuo-wang, sy ny teny arabo silamo hoe sultan izany. Eto ny maha "khan" kely kokoa dia natao hilazana ny fanajan' i Hulagu tany amboalohany an' i Möngke Khan sy ny Khan Lehibe mpandimby azy tao amin' ny Empira Môngôly.
  • khan andriamanjaka. Avy amin' ny teny hoe ilig khan. Mety nitovy amin' ny teny sinoa hoe zhenming huangdi ("emperora manana fahefana tokoa"). Tokony hoheverina ho fananam-pahefana amin' ny raharaham-paritra izy io, fa tsy mifanohitra amin' ny Khan Lehibe, nefa tsy nomeny.

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. I Nikolay Stepanovich Gumilyov dia pôeta, mpitsikera literatiora, mpanao dia lavitra ary manamboninahitra miaramila.