Fianakaviam-piteny torkika

Ny fiteny torkika dia fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa manodidina ny 30 mitsinjara ao amin' ny faritra malalaka izay mivelatra avy any Eorôpa Atsinanana ka hatrany andrefan' i Sina sy avy any Kiprosy (na Sipra) hatrany Siberia, ka ny fiteny tiorka sy fiteny azery ary ny fiteny ozbeka no be mpiteny indrindra amin' izany. Tombanana any amin' ny 200 000 000 any ho any ny isan' ny olona miteny azy ireo ho fiteny nibeazana, ary an-tapitrisany maro ny mampiasa azy ho fiteny faharoa. Ny fianakaviam-piteny torkika dia matetika ampifanakaikezina amin' ny fianakaviam-piteny môngôlika sy ny fianakaviam-piteny tongoza ao amin' ny fianakaviambem-piteny altaika, nefa iadian-kevitra fatratra izany famondonana izany.

Fitsinjarana ara-jeôgrafia ny fiteny torkika

Isan' ny toetran' ny fiteny torkika ny rafi-pehezanteny LFM (Lazaina - Fameno - Matoanteny), ny rindran-janapeo, ny fanakambanana tsirinteny maro (tovona) ary ny tsy fisian' ny kilasin' anarana sy kilahivavy. Ireo toetra famaritana ireo dia matetika itoviany amin' ireo fiteny môngôlika sy ireo fiteny tongoza, ary amin' ny fiteny kôreana sy ny fiteny japôney ary ny fiteny ainô. Ireo fiteny tanisaina farany ireo dia heverin' ny mpahay teny sasany ho mpihavana amin' ny fiteny torkika ao amin' ny fianakaviam-piteny mahafaoka kokoa izay nomena ny anarana hoe fiteny altaika.

Indreto avy ny fiteny lehibe ao amin' io fianakaviam-piteny io miaraka amin' ny isan' ny olona miteny azy avy:

Sampana ao amin' ny fianakaviam-piteny torkikaHanova

 
Fitsinjarana ara-jeôgrafia ny fiteny torkika      fiteny ogoza      Fiteny kiptsaka      fiteny oigora      fiteny torkika siberiana      fiteny ogora      fiteny argo

Misampana enina ny fianakaviam-piteny torkika, dia ny fiteny torkika atsimo-andrefana (fiteny ogoza), ny fiteny torkika avaratra-andrefana (fiteny kiptsaka), ny fiteny torkika atsimo-atsinanana (fiteny oigora), ny fiteny torkika avaratra-atsinanana (fiteny torkika siberiana), ny fiteny ôgora, ary ny fiteny argo.

Ny fiteny ogozaHanova

Ireto ny fiteny ao amin' ny vondrona ogoza:

Ny fiteny kiptsakaHanova

Ireto avy ny fiteny ao amin' ny vondrona kiptsaka:

  • fiteny kiptsaka andrefana: fiteny komana, armenô-kiptsaka, kiptsaka mameloka,karatsay-balkara, komika, krimtsaka, karaima, tataran' i Krimea, oroma.
  • fiteny kiptsaka avaratra (Volga-Ural): fiteny baskira, tatara, tataran' i Siberia (fiteny baraba, tataran' i Tobol-Irtych)
  • fiteny kiptsaka atsimo (aralô-kaspiana): fiteny karakalpakqa, kazàka, kirgizy, nôgay.

Ny fiteny oigoraHanova

Ireto avy ny fiteny ao amin' ny vondrona oigora:

  • fiteny oigora andrefana: fiteny ozbeka
  • fiteny oigora atsinanana: fiteny tiorka taloha (fiteny oigora taloha, anisany ny fiteny sari-iogora na oigora mavo, torkikan' i Orkhon, izay samy fiteny maty), tsagatay, oigora, salara.

Ny fiteny torkika siberianaHanova

Ireto avy ny fiteny ao amin' ny vondrona torkika siberiana:

  • fiteny siberiana avaratra: (fiteny dôlgana, iakoty).
  • fiteny siberiana atsimo (fiteny torkikan' i Sayan, anisany ny fiteny tovàna, tôfalara na tôfa; ny fiteny torkika altaiana na fiteny altay, anisany ny fiteny teleota, telengita, toba-kijy, salkando, komanda; ny fiteny torkikan' i Ienissei, anisany ny fiteny kakasa, sôra, girgisin' i Fu-Yu: ny fiteny tsolima).

Ny fiteny ôgoraHanova

Ireto avy ny fiteny ao amin' ny vondrona ôgora:

  • fiteny avaran' i Azia,
  • fiteny honika
  • fiteny kazara
  • fiteny prôtô-bolgara
  • fiteny tsovasa.

Ny fikeny argoHanova

Ireto avy ny fiteny ao amin' ny vondrona argo:

  • ny fiteny kalajy na argo

Jereo koaHanova