Ny Kaskay dia vondrom-poko ao Iràna izay ny ankabeazany manam-piaviana torkika. Heverina koa fa tafiditra ao koa ny olona manam-piaviana lora na lôry sy kiorda ary arabo. Miteny fiteny torkika tandrefana (ôgoza), fantatra amin' ny anarana hoe fiteny kaskay ny ankamaroan' izy ireo, fiteny izay antsoin' izy ireo hoe turki. Miteny persana (fitenim-pirenen' i Iràna) koa izy ireo. Atao hoe قشقایی izy ireo amin' ny teny persana.

Zazalahy kaskay

Ao amin' ireto faritany ireto no tena ahitana ny Kaskay: Fars, Khuzestan, Kohgiluyeh-Boyer-Ahmad, Chaharmahal-Bakhtiari, Bushehr ary Isfahan Atsimo, indrindra manodidina ny tanànan' i Shiraz sy Firuzabad ao Fars. Mpiandry andiam-biby fiompy mpifindrafindra monina tany am-boalohany ny ankamaroan' ny Kaskay ary mbola misy amin' izao fotoana izao ny manohy izany fomba fiainana izany. Ny Kaskay mpifindrafindra monina mbola nitana ny nentin-drazana dia nandeha indroa isan-taona miaraka amin' ny andiam-bibiny eo anelanelan' ny kijana an-tany avo amin' ny fahavaratra any avaratr' i Shiraz (tokony ho 480 km any atsimo) sy ny kijana ririnina any amin' ny tany iva (sy mafana kokoa) akaikin' ny Hoala Persika, any atsimo-andrefan' i Shiraz.

Karavany kaskay

Ny ankamaroan' ny Kaskay anefa dia lasa mpiorim-ponenana amin' ny ampahany na tanteraka. Nitombo be ny firehan' ny Kaskay hanorim-ponenana nanomboka tamin' ny taompolo 1960 teo ambanin' ny fanerena sy ny famporisihan' ny governemanta izay nanorina trano ho an' izay vonona hipetraka, nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20 nandritra ny fitondran' ny tarana-mpanjaka Pahlavy na Pahlevy. Na izany aza, ho an' ireo izay manohy ny fifindrafindrà-monina, ny governemanta iraniana dia mitazona sy manara-maso ny lalanan' ny Kaskay sy ny foko hafa mpifindra monina tahaka azy ireo.

Ny Kaskay dia ahitana foko dimy lehibe, dia ny Amale (amin' ny fiteny kaskay) na Amaleh (amin' ny fiteny persana), ny Dere-Shorlu na Darreh-Shuri, ny Kashkollu na Kashkuli, ny Shishbeyli na Sheshboluki ary ny Eymur na Farsimadan. Misy koa ireo foko kely kokoa izay ahitana ny Qaracha na Qarache'i, ny Rahimli na Rahimi ary ny Safi-Khanli na Safi-Khani.

Jereo koa hanova