Ny voamaina na legioma maina dia ireo voa avy amin' ny karazan-javamaniry Fabaceae, azo atao sakafo rehefa matoy. Ny tsy fahampian' ny rano ao aminy, manodidina ny 12 %, dia mahatonga azy ireo ho azo tahirizina ela raha lavitra ny hamandoana. Anisan' ny voamaina ny tsaramaso, ny tsiasisa, ny voanjobory ary ny kabaro. Ny voanjo sy ny sôza kosa, izay voa be menaka, dia tsy heverina ho isan' ny voamaina.

Jereo koa hanova