Ny gazela misy treho, na gazela persiana na gazelan' i Persia (Gazella subgutturosa) dia karazana antilôpa ao amin' ny fianakavian' ny Bovidae. Ny anarany dia noho ny fiitaran' ny vozona sy ny tendan' ny lahy mandritra ny vanim-potoana fanaovay firaisana amin' ny vavy. Miaina any Azia Afovoany sy any Atsinanana Afovoany izy. Nihena be ny isany tao anatin' ny taona vitsivitsy farany.

Gazela misy treho

Mahatratra 90 hatramin' ny 115 sm ny halavany ary 60 ka hatramin' ny 80 sm ny fafavony. Eo amin'ny 18 ka hatramin' ny 33 kg ny lanjany, ary mavesatra noho ny vavy ny lahy. Mirefy 15 hatramin' ny 20 sm ny halavan’ ny rambony.

Ny vatany amin' ny ankapobeny dia mioko volontsôkôlà matsatso, saingy mety miovaova arakaraka avy amin'ny volontsôkôlà mazava, saika fotsy, ka hatramin' ny volontany, ary indraindray misy loko volondavenona na mavo na mena. Na inona na inona lokon' ny lamosina, dia mihaantitra kokoa izany loko izany eo amin'ny farany ambany amin' ny takibany, izay misy ny loko volontany mitambatra amin'ny fotsy amin' ny kibony manaraka tsipika voafaritra mazava, indraindray misy tsipika mainty.

Ny marika amin' ny tarehiny, izay ny toetra mankan' ny gazela, dia tsy hita mazava afa-tsy amin' ireo mbola tanora: mihafotsy ny handriny sy ny molony rehefa mandroso ny taona, na dia mitoetra aza ny tsipika matevina miloko volontany mampifandray ny masony amin' ny vavany. Ao amin’ ny gazela misy treho ao amin' ny Saikinosy Arabo, ireo marika ireo dia tsy hita na dia amin' ny mbola tanora aza. Mainty ny rambony, hita mazava eo amin' ny vodiny fotsy.

Tsy toy ny gazela hafa, ny lahy ihany matetika no misy tandroka, fa amin'ny toerana sasany dia misy tandroka koa ny vavy. Mahavariana fa tsy misy tandroka matetika ny gazela misy treho any Sina sy Môngôlia, fa arakaraka ny ikisahana mankamin' ny ambadika amin’ ny faran' ny faritra misy azy ireo (ny Saikinosy Arabo), no mahabetsaka ny isan' ny vavy misy tandroka: ireo izay ao amin’ ny Saikinosy Arabo dia misy tandroka avokoa. Ny halavan’ ireo tandroka ireo dia 25 hatramin'ny 43 sm. Matroka ny lokon’ ny tandroka izay miensrika "S" misokatra be, mitongilana mankany amin' ny lamosiny.

Mandritra ny fanaovan’ ny lahy firaisana amin' ny vavy dia mitombo sady miseho ety ivelany ny lohatraokany.

Faritra iveloman' ny gazela misy treho

Ny gazela moisy treho dia hita any amin' ny Saikanosin' i Arabia, any Iràka, any Siria, any Iràna, any atsimo-andrefana amin' i Pakistàna, any Torkia, any Azerbaijàna, any Kazakstàna, any amin' ireo firenena any Azia Afovoany ary ny any amin' ny tany efitr' i Gobi any Môngôlia, ary any Sina.