Linksan' i Eorazia

Ny linksan' i Eorazia na linksa eoraziana na linksa bôrealy na linksa eorôpeana (Lynx lynx), dia karazana sakabe izay hita manerana an' i Eorazia, tonga any amin' ny morontsiraka avaratra amin' i Pasifika. Mora fantatra amin' ny tongony lava sy ny rambony fohy ary ny sofiny maranitra izy. Isankarazany volo sy ny haben' ny linksa bôrealy.

Linksa bôrealy
Faritra ielezan' ny linksa eoraziana
Linksa bôrealy mivolon-kero-dronono, ty dia misy pentika loatra

Miaina any anaty ala bôrealy (taiga) izy io, izay karazan-tsakabe tsy mitabataba sy mahay miafina, mihaza ireo biby mdinika misy kitro toy ny karazana serfa na diera Capreolus capreolus (antsoina amin' ny teny frantsay hoe chevreuil). Na dia miely be aza ny linksa bôrealy dia nihena ny isany ao Eorôpa Andrefana, izay efa nanaovana andrana fampidirana azy ireo indray.

Linksa bôrealy miloko volondavenona, somary misy pentina.

Nisy ny finoanoam-poana momba ny linksa bôrealy nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany, izay biby mbola tsy nisy nahafantatra azy hatramin' ny fiandohan' ny taompolo 1980. Mbola iadian-kevitra ny momba azy eo amin' ny mpihaza sy ny mpiandry ondry, indrindra fa nandritra ny fampidirana azy indray.

Ny linksa eoraziana dia lehibe avo roa heny noho ny karazana linksa telo hafa. Milanja 9 ka hatramin' ny 35 kg izy, ny linksan' i Siberia (na linksa siberiana) no zana-karazana lehibe indrindra; ny salan-danjan' ny lahy dia 25 kg fa ny vavy kosa 21 kg. Mirefy 65 hatramin’ ny 75 sm eo amin’ ny sorony, ary 77 hatramin' ny 135 sm ny halavany. Ny tsy fitovian' ny lahy sy ny vavy dia miharihary: ny lahy dia lehibe kokoa, manan-tombo apahefany noho ny vavy.