Ny fanitso dia singa ara-tsimia, metaly, mitondra ny laharana atômika 30 amin' ny firaketan' i Mendeleiev sy eva Zn (fanafohezana ny teny latina hoe Zincum). Singa tetezamita ny fanitso.

Fanitso
Tafo fanitso

Ny fanitso dia efa nampiasaina hatramin' ny Andro Taloha amin' ny endrika tsama misy varahina sy firapotsy, saingy tsy noheverina ho singa mahaleo tena izy io raha tsy tamin' ny taona 1746, rehefa nanasaraka azy io tamin' ny alalan' ny fanafanana kalaminina sy arintany ny mpahay simia alemàna Andreas Sigismund Marggraf. Singa manan-danja amin' ny fiainan' ny zavamananaina ny fanitso.

Sihoa vita amin' ny fanitso

Betsaka ny fanitso ao amin' ny akanjon' ny Tany. Tsy hita amin' ny toetra botsoaka eny amin' ny zavaboary izy io fa amin' ny endrika ôksida-na fanitso (ZnO), amin' ny endrika silikata-na fanitso (2ZnO,SiO2,H2O), amin' ny endrika karbônata-na fanitso (ZnCO3), amin' ny endrika ôksida-na fanitso sy ôksida-na vy mifangaro (Zn(FeO2)O2), ary solfida-na fanitso (ZnS).

Jereo koa

hanova