Ny fadintseranana na ladoany dia fahefanam-panjakana na sampan-draharaha miandraikitra ny fanaraha-maso ny sisin-tanin' ny firenena iray, ary indrindra amin' ny fandrindrana ny olona sy ny entana miditra sy mivoaka (anisan' izany ny biby, ny fitaterana, ny entam-barotra manokana, ary ny entana mampidi-doza), sy amin' ny fanangonana ny haba alaina amin' ireo entana ireo.

Manara-maso ny entan' ny mpandeha tonga ny mpiasan' ny fadintseranana ao amin' ny seranam-piaramanidina Amsterdam Schiphol.

Miovaova be ny asa ampanaovina ny fadintseranana isaky ny firenena, nefa saika sampan-draharaham-panjakana ara-toekarena sy ara-bola manana ny toetran' ny mpiandraikitra hetra sy ny fiarovana izany. Tao anatin' ny folo taona farany, ny asan' ny fadintseranana dia niitatra ka lasa misahana andraikitra fototra telo: ny fampidiran-ketra sy ny fiarovana ary ny fanamorana ny rahataham-barotra.

Ny firenena tsirairay dia manana didy aman-dalàna sy fitsipika manokana momba ny fanafarana sy fanondranana entana miditra sy mivoaka amin' ny firenena, izay ampiharin' ny manampahefana ao aminy avy; ny fanafarana sy fanondranana ny entana sasany dia mety ho ferana na voarara tanteraka. Betsaka ny karazana sazy mihatra amin’ izay mandika ireo lalàna amam-pitsipika ireo.

Isan-taona, amin' ny faran' ny volana Janoary, ny andro iraisam-pirenena momba ny fadintseranana dia ankalazaina miaraka amin' ny lohahevitra manokana.