I Iràka dia firenena ao amin’ ny faritra Atsinanana Akaiky any Azia. Ny renivohiny dia i Baghdad. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. 438 317 km2 ny velarantaniny ary 31 129 225 ny isan' ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny 2012. Ny faritr' ora dia +3.

Sainan' i Iràka
Saritanin' i Iràka
Sarin-tanin' i Iràka

Tsy manana afa-tsy morontsiraka mirefy 40 km ao amin’ ny tapany atsimo, ao amin’ ny Hoala Persika i Iràka. Ny sisa amin’ ny vohon-taniny dia anjakan’ ny lohasahan’ i Tigra (na Tigrisy) sy ny an’ i Eofrata, ony roa lehibe ao amin’ ilay firenena. Ny toetanin’ i Iràka, amin’ ny ankapobeny, dia maina sy tany efitra, afa-tsy ireo faritra be tendrombohitra.

Ny vahoaka irakiana dia betsaka tanora (manakaiky ny 45 % ireo latsaky ny 15 taona) ary tsy mitovy ny fitsinjaràny manerana an’ i Iràka: ny ampahany be amin’ ny veleran’ i Iràka dia tsy misy mponina. Ny Arabo no vahoaka maro an’ isa indrindra, izay mahatratra 73 %n’ ny mponina, sy ny Kiorda, izay 22 %n’ ny mponina.

Manana harena ambanin’ ny tany betsaka i Iràka, ka isan’ izany ny solitany izay maha laharana faharoa azy maneran-tany, sy ny etona voajanahary izay maha laharana fahafito azy maneran-tany.

Ny fitrandrahana solitany no loharanom-bola lehibe indrindra any Iràka. Nitontongana izaitsizy anefa ny toekaren’ io firenena io taorian’ ny ady tao amin’ ny Hoala Persika tamin’ ny taona 1991 sy 2003.

Jereo koa

hanova

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Samihafa

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.