Faritanin' i Hamedan
Ny Faritanin' i Hamedan na Hamadana (persiana: استان همدان) dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna. Ny renivohiny dia ny tanànan' i Hamadan. Ny velaran' ilay faritany dia 19 546 km2. Tamin' ny 1996, ny Faritanin' i Hamedan dia nisy mponina manodidina ny 1,7 tapitrisa. Ny tanàna lehibe hafa ao amin' ity faritany ity dia i Twiserkan, i Nahavand, i Malayer, i Asadabad, Bahar, i Razan, ary i Kabudrahang.
Any amin' ny faritra avo any amin' ny tandavan-tendrombohitra Alvand no misy ny Faritanin' i Hamedan, manomboka any avaratra-andrefana ka hatrany atsimo-andrefana. Anisan' ny tangoron-tendrombohitra Zagros io tandavan-tendrombohitra io. Mandrakotra manodidina ny 1,2 % amin' ny velaran-tanin' i Iràna izy ary mizara sisintany amin' ny faritany enina hafa. Any avaratra, ity faritany ity dia manamorona ny Faritanin' i Qazvin sy ny Faritanin' i Zanjan, ary ny tendrombohitra Kharaqan izay sisin-tany voajanahary. Ny sisin-tany atsinanana dia itambarany amin' ny Faritanin' i Markazi. Any atsimo ny Tendrombohitra Garu no sisintany voajanahary miaraka amin' ny Faritanin' i Lorestan. Farany, ny ao andrefana dia ny Faritanin' i Kermanshah sy ny Faritanin' i Kurdistan.
Faritanin' i Hamedan dia manana toetanin-kôntinenta, ahitana fahavaratra mafana sy ririnina somary mangatsiaka.
Ity faritany ity dia fonenan' ny vahoaka efatra: ny Persiana (foko maro anisa ao amin' ny faritra), ny Azery (indrindra any amin' ny tapany avaratry ny faritany), ny Kiorda (indrindra any amin' ny tapany avaratra-andrefana), ary ny Lôry (any amin' ny faritra atsimo sy andrefana).
Jereo koa
hanova- Faritany any Iràna: Alborz - Ardabil – Azerbaijan-e-Gharbi – Azerbaijan-e-Sharghi – Bushehr - Shahar Mahaal-o-Bakhtiari - Esfahan - Fars - Gilan – Golestan - Hamedan – Hormozgan - Ilam - Kerman - Kermanshah – Khorasan-e-Jonubi - Khorasan-e-Razavi - Khorasan-e-Shomali - Khuzestan - Kohkiluyeh-o-Boyer Ahmad - Kurdistan Iraniana – Lorestan - Markazi – Mazandaran - Qazvin – Qom – Semnan - Sistan-o-Baluchestan - Teheran - Yazd - Zanjan