Ny omby dia karazana biby mampinono sady biby fiompy. Biby lehibe misy tandroka roa ary mety misy trafo iray eo an-tampon-damosiny, ao amin' ny fianakaviana Bovidae. Izy io dia biby mampinono lehibe (eo anelanelan' ny 120 sy 150 sm ary milajna 600 hatramin' ny 800 kg). Misy kitro sy tandroka ny omby. Atao hoe Bos taurus ny anarany ara-tsiansa.

Omby volontany soisa Fleckvieh miambozona lakolosy

Ny omby dia karazana ao amin' ny foko Bovini izay avy ao amin' ny Tontolo Tranainy avy amin' ny aorôka. Anisan' ny zana-pilaharan' ny Ruminantia (biby mandinika: mamerina mitsako izay efa nateliny). Zana-karazana roa lehibe no miavaka: ny omby tsy misy trafo na omby rana (Bos taurus taurus na Bos primigenius taurus) sy ny omby misy trafo (Bos taurus indicus na Bos primigenius f. taurus), izay ampiain' ny mpanoratra sasany ny Bos taurus primigenius (aorôka) izay lany tamingana tamin' ny taonjato faha-17 amin' ny endriny bibidia, fa ny mpiompy dia miezaka mamerina karazana manakaiky azy. Izy ireo dia ao amin' ny zana-pianakaviana Bovinae ary karazana miely be indrindra amin' ny vondron-karazana Bos.

Omby malagasy

Manodidina ny 10 500 taona lasa izay, ny omby tsy misy trafony dia nanomboka nompiana avy amin' ny razamben' ny aorôka tany afovoan' i Anatôlia, tany Ampiposahana ary tany Iràna Andrefana. Famolahana fiompiana misaraka no nitranga tany amin' ny Zana-kôntinenta Indiana, izay niteraka ny omby misy trafo. Ompiana indrindra ho amin' ny famokarana hena sy ronono ny omby. Ampiasaina hahazoana hoditra na tandroka hanamboarana antsy na taozavatra, na hahazaoana tain' omby hatao kitay sy handonahana ny nofon-tany koa ny omby. Mitarika sarety sy fitaovam-pambolena izy ireo amin' ny maha biby mpitarika azy. Ny omby tsy misy trafo dia miparitaka manerana an' i Eorôpa sy ny faritra manana toetany antonony any Azia, any Amerika ary any Aostralia. Ny omby misy trafo dia hita indrindra any India sy any amin' ny faritra mafana any Azia, any Amerika ary any Aostralia. Aty Afrika atsimon' i Sahara no ahitana omby sangà. Ireo vondrona ireo, indraindray sokajiana ho karazana na zana-karazana samihafa, dia zaraina ho firazanany 1 000 mahery fantatra. Nahatratra 940 tapitrisa mahery ny omby eran-tany tamin' ny taona 2022. Ny omby no tompon' andraikitra amin' ny 7 % amin' ny etona mampihiboka hafanana maneran-tany.

Ny omby dia nahaliana ny olombelona hatramin' izay. Ny ombilahy dia mariky ny tanjaka sy ny fahalonahana. Izany no mahatonga ireo biby ireo ho hita any amin' ny fivavahana samihafa. Any India, ny omby dia biby masina ao amin' ny hindoisma, ary tsy azo vonoina. Ompiana ho biby fanao namana ny karazan' omby kely vatana tsy misy trafo. Izy ireo dia ampahany manan-danja amin' ny kolontsaina tandrefana, ary lohahevitry ny aingam-panahy ho an' ny mpanao hosodoko sy ny mpanao sary sokitra na ho mpandray anjara ao amin' ny tantara an-tsary, ao amin' ny sarimihetsika na ao amin' ny dokam-barotra.

Kolontsaina

hanova

Ohabolana

hanova
  • Ataonao ho omby tsy enin-drano ve aho, ka hisotro ranon-tambiazona ?
  • Omby zato tsy nampihosy, ka efa iray sisa vao manenjan-tsikina!
  • Tsy miandry omby lavitra ny tanàna, tsy milalao lavitra ny vohitra.
  • Adin' ombalahy ka no atakalo izay adin' ombivavy
  • Akohon-kamboty nohitsahin' omby mifahy, ka samy be amin' ny azy.
  • Aleo enjehin' ny omby masiaka toy izay enjehin' ny fieritreretana.
  • Ambohimanambola no matavy omby, ka Ambohimalaza no lafo kitay.
  • Andevolahy mamahy reniomby, ka mamindra fo, fa samy haren' olona: ny omby "aza mifidy vilona", ny andevo "aza maka ny ratsy".
  • Andevolahy manan' omby zato: ny tenany aza ahy, mainka ny omby zato.
  • Ny fitia toy ny andry ombin' ankizy: afa-po dia misaraka, tsy afa-po mifamerina.
  • Andry ombin' Ifiringa adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo.
  • Andry ombin' Imalemifanahy : ny noana voasafosafo, ny voky voalambolambo
  • Any milefona omby, ary etý mively rano
  • Antoandro faka ronono, ka nilaozan' ny omby nihahaka.
  • Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany; ny malahelo tsy mba havan' ny manana
  • Aomby bory manonofy tandroka, manonofy raha tsy ho azo.
  • Ataovy hanin' omby : sady mimamà no miraoka; fa ny alahelo tsy efan-joretra
  • Ataovy mitombo ohatra ny tohatr' omby fahavaratra, fa aza atao mihenamihena ohatra ny trafon' omby ririnina
  • Tery omby ririnina ka atao izay tsy hahakely ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany
  • Ataovy toy ny tsimpon-tain' omby ny filan-karena: na kely azo, na be azo, ataovy an-karona avokoa.
  • Aza atao andry ombin' ilay adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo ; fa ataovy andry ombin' ilay mora, ka ny aloha voakahankahana, ny aoriana voasafosafo.
  • Aza manao fandrin' omby: mandry, fa tsy lavo loha
  • Aza manao lelan' omby : sady hitsabaka am-bava no hitsabaka an' orona.
  • Aza manao ombin' Imarovatana: sady mahalany ahitra iray lohasaha no mahalany mangahazom-bolafolo, nefa tsy hita izay taviny, fa ny kibony no mihalehibe
  • Aza manao toloho mampirehoka omby.
  • Aza manao toton' omby bory
  • Aza manao tsitsik' ombin' Ibetsileo: ny ombin' Ikoto an' Ikoto ihany, ary ny ombin' olona an' Ikoto koa.

Jereo koa

hanova