Faritra eto amin'ny tany

(tonga teto avy amin'ny Faritan'i tany)

Voatsinjara ho faritra maro eto amin' ny tany, ka ao ny fari-dranomasina ary ao koa ny faritra an-tanibe na kôntinenta.

Ireo ranomasimbe sy ny fari-dranomasina ao aminy hanova

Faritra ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika hanova

Ny Ranomasimbe Atlantika dia hodidinin-dranomasina maro, manakaiky ny ny kôntinenta. Mizara roa i Atlantika, dia i Atlantika Avaratra sy i Atlantika Atsimo.

Faritra ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika hanova

Mizara roa koa ny Ranomasimbe Pasifika, dia i Pasifika Avaratra sy i Pasifika Atsimo.

Faritra ao amin' ny Ranomasimbe Indianina hanova

Faritra ao amin' ny Ranomasimbe Antarktika hanova

Ny Ranomasimbe Antarktika dia atao hoe Ranomasimbe Atsimo koa.

Faritra ao amin' ny Ranomasimbe Arktika hanova

Ireo faritra an-tanibe hanova

Tsy hentitra ny famaritana ireo faritra ireo ka misy ny firenena tafiditra amin'ny faritra roa na maro.

Faritra ao Afrika hanova

Ireto ny faritra sasany ao Afrika:

Afrika Avaratra hanova

I Afrika Avaratra dia ny tapany avaratr' i Afrika izay mamondrona ireo firenena manana morontsiraka amin' ny Ranomasina Mediteranea. Ireto avy ny firenena heverina fa isan' i Afrika Avaratra: i Ejipta, i Libia, i Tonizia, i Aljeria, i Marôka, i Sahara Andrefana ary i Maoritania.

Afrika Andrefana hanova

I Afrika Andrefana dia faritra ao Afrika izay mahafaoka ny ampahany andrefana amin' i Afrika atsimon' i Sahara. Ireto avy ny firenena heverina fa isan' i Afrika Andrefana: I Benîno, i Borkina Fasô, i Cabo Verde, i Kôtidivoara, i Gambia, i Ganà, i Ginea, i Ginea Bisao, i Liberia, i Maly, i Maoritania, i Nizera, i Nizerià, i Senegaly, i Siera Leôna ary i Tôgô.

Afrika Atsinanana hanova

I Afrika Atsinanana dia faritr' i Afrika izay mahafaoka firenana afrikana maromaro ao amin' ny tapany atsinanan' i Afrika, izay matetika manondro ireo firenena ao amin' ny Lohasahan' ny Hantsana Lehibe. Ireto avy ny firenena sy fanjakana heverina fa isan' i Afrika Atsinanana: i Eritrea, i Etiôpia, i Jiboty, i Somalia, i Sodàna Atsimo, i Kenia, i Oganda, i Tanzania, i Roanda, i Borondy, i Seisely, i Kômôro sy i Maiôty, i Maorisy, La Réunion, i Madagasikara, i Malaoy ary i Môzambika.

Faritra Atsimo ao Afrika hanova

Ny Faritra Atsimo ao Afrika dia ny tapak' i Afrika ao atsimo izay fitambaran' ny firenana sy tany ao atsimon' ny alam-pehibe afrikana. Ireto avy ny firenena heverina fa ao amin' ny Faritra atsimon' i Afrika: i Afrika Atsimo, i Angôla, i Bôtsoana, i Kômôro, i Soazilandy, i Lezôtô, i Madagasikara, i Malaoy, i Maorisy, i Mozambika, i Namibia, i Zambia, ary i Zimbaboe.

Afrika Afovoany hanova

I Afrika Afovoany dia faritra ao Afrika ahitana ny tapany atsimon' i Sahara sy ny tapany atsinanan' ny Ampinga Andrefana Afrikana ary ny Lohasahan' ny Hantsana Lehibe. Ireto avy ny firenena heverina fa isan' i Afrika Afovoany: i Angôla, i Kamerona, i Gabôna, i Ginea Ekoatôrialy, ny Repoblikan' i Afrika Afovoany, ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ny Repoblikan' i Kôngô, i Saô Tôme sy Prinsipe, i Tsady, i Malaoy, i Zambia, i Zimbaboe, i Borondy ary i Roanda.

Faritra ao Eorôpa hanova

Indreto ny faritra sasany ao Eorôpa:

Eorôpa Afovoany hanova

Ny Eorôpa Afovoany dia faritra ao Eorôpa eo anelanelan' i Eorôpa Atsinanana sy i Eorôpa Andrefana. Ny tenenina hoe "Eorôpa Afovoany" dia tsy ilay afovoany ara-jeôgrafian' i Eorôpa fa ny afovoany ara-tantara. Ireo firenena azo sokajiana ao amin' ny faritr' i Eorôpa Afovoany dia i Alemaina, i Aotrisy, i Hôngaria, i Pôlônia, ny Repoblika Tseky, i Slôvenia ary i Krôasia.

Eorôpa Atsinanana hanova

I Eorôpa Atsinanana dia ny faritra atsinanana ao Eorôpa izay faritan' ny tangoron-tendrombohitra Ural, i Kaokazy, ny Ranomasina Kaspiana, ny Ranomasina Mainty, ny Ranomasina Marmara ary ny Ranomasina Egea avy ao atsinanana. Raha amin' ny heviny mifintina dia ireto no firenena ao amin' i Eorôpa Atsinanana: i Bielôrosia, i Rosia ary i Okraina.

Eorôpa Andrefana hanova

I Eorôpa Andrefana dia faritra mamondrona ireo firenena mikasika ny morontsiraka atlantika, izany hoe ireo firenena eo amin' ny tapany andrefan' i Eorôpa. Ny misy azy dia eo anelanelan' ny Ranomasimbe Atlantika, i Eorôpa Avaratra, i Eorôpa Atsimo, i Eorôpa Afovoany. Ireto avy ireo firenena isan' i Eorôpa Andrefana: i Alemaina, i Aotrisy, i Belzika, i Danemarka, i Espaina, ny Fanjakana Mitambatra, i Finlandy, i Frantsa, i Irlandy, i Islandy, i Italia, i Liktenstaina, i Loksemborga, i Nederlandy, i Nôrvezy, i Pôrtogaly, i Soeda, ary i Soisa.

Eorôpa Avaratra hanova

Ny Eorôpa Avaratra dia fitambaran' ireo firenena any amin' ny tapany avaratr' i Eorôpa, manana ny kolontsaina sy ny fiteny skandinaviana sy ny fiteny fenika. Amin' ny ankapobeny, i Eorôpa Avaratra dia ny ilany avaratra amin' i Eorôpa. Ireto avy ny firenena sokajina ao anatin' i Eorôpa Avaratra: i Nôrvezy, i Danemarka, i Soeda, i Islandy, i Finlandy ary i Estônia

Eorôpa Atsimo hanova

I Eorôpa Atsimo dia faritra ara-jeôgrafia na ara-jeôpôlitika izay mahafaoka ny ampahany atsimo amin' i Eorôpa. Isan' izany ireo firenena sy fanjakana hita ao amin' ny saikanosy mediteraneana telo (ny Saikanosy Iberika sy ny Saikanosy Italiana ary ny Saikanosy Balkanika). Ireto avy ireo firenena ao Eorôpa Atsimo ireo: i Espaina, i Pôrtogaly, i Andôra, i Italia, i Saint-Martin, i Vatikàna, i Malta, i Albania, i Bôsnia-Herzegôvina, i Krôatia, i Gresy, i Makedônia Avaratra, i Môntenegrô, i Serbia ary i Slôvenia.

Faritra ao Azia hanova

Indreto avy ireo faritra ao Azia:

Azia Afovoany hanova

I Azia Afovoany dia faritra afovoan' ny kôntinenta aziatika izay mivelatra manodidina ny Ranomasina Kaspiana, nyRanomasin' i Araly ary ny farihy Balkhach. Ny firenena ao Azia Afovoany dia i Kazakstana, i Ozbekistana, i Tajikistana, i Torkmenistana ary i Kirgizistana.

Azia Andrefana hanova

I Azia Andrefana na ny Afovoany Atsinanana dia ny faritra atsimo-andrefan' i Azia. Ireo firenena ao Azia Andrefana dia i Arabia Saodita, i Iràka, i Iemena, i Ômàna, i Iràna, i Siria, i Jôrdania, i Ejipta, i Israely, i Palestina ary i Torkia.

Azia Atsimo hanova

I Azia Atsimo dia faritra atsimo ao Azia izay mahafaoka an' i Afganistàna, i Bangladesy, i Botàna, i India, ireo nosy Maldiva, i Nepaly, i Pakistàna ary i Srilanka. Faritra be mponina indrindra eto an-tany i Azia Atsimo, izay onenan' olona miisa 1,9 lavitrisa tamin' ny taona 2019, izany hoe ampahefatry ny mponina maneran-tany.

Azia Atsinanana hanova

I Azia Atsinanana dia faritra atsinanana ao amin' ny kôntinentan' i Azia. Ireto avy ireo firenena hita ao Azia Atsinanana:i Sina, i Kôrea Avaratra, i Kôrea Atsimo, i Japàna ary i Taioàna. Manampy azy ireo i Môngôlia (izay indraindray atao isan' i Azia Afovoany) sy i Vietnamy sy i Singaporo (noho ny antony ara-kolontsaina, atambatra matetika amin' i Azia Atsimo-Atsinanana), ny faritra rosiana Farany Atsinanana koa dia azo ampidirina ao. Matetika dia akambana amin' ny faritra Farany Atsinanana i Azia Atsinanana.

Azia Atsimo-Atsinanana hanova

Ny Azia Atsimo-Atsinanana dia ny faritr' i Azia any atsinanan' i India sy any atsimon' i Sina. Ireo firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana dia i Mianmara, i Tailandy, i Malaizia, i Indônezia, i Filipina, i Vietnamy, i Laôsa, i Broney Darosalama ary i Kambôdia.

Faritra ao Amerika hanova

Amerika Avaratra hanova

Ny tapany avaratra amin' ny kôntinentan' i Amerika no atao hoe Amerika Avaratra, ka ireto ny firenena sy tany matetika tanisaina ao anatiny: i Groenlandy, i Kanada, i Etazonia, i Bermoda ary i Meksika.

Amerika Atsimo hanova

I Amerika Atsimo dia zana-kôntinenta sady ampahany atsimo amin' i Amerika. Ireto ny firenena sy tany hita ao aminy: i Arjentina, i Bôlivia, i Brezila, i Silý, i Kôlômbia, i Ekoadôra, i Goiana, i Paragoay, i Però, i Sorinama, i Orogoay ary i Venezoela. Misy faritanim-pirenana hafa koa ao toa ireo nosy Maloina (an' ny Fanjakana Mitambatra) sy i Goiana Frantsay ary i Jeôrjia sy ireo Nosy Sandwich (an' ny Fanjakana Mitambatra).

Amerika Afovoany hanova

I Amerika Afovoany dia andilan-tany mampitohy an' i Amerika Avaratra sy i Amerika Atsimo. Araka ny famaritana azy mahazatra ny maro dia ahitana ireto firenena ireto ny ao Amerika Afovoany: i Goatemala, i Belizy, i Hôndorasy, i Salvadôro, i Nikaragoa, i Kôsta Rika ary i Panama. Azo atambatra aminy ireo nosy Antilia.