I Afrika Avaratra dia ny tapany avaratra amin' i Afrika izay mamondrona ny firenena manana morontsiraka amin' ny Ranomasina Mediteranea. Tsy misy famaritana azy eken' ny be sy ny maro ny teny hoe "Afrika Avaratra" nefa heverina fa mahafaoka ny moron' ny Ranomasimbe Atlantika avy ao Marôka ka hatrany amin' ny Lakandranon' i Suez sy amin' ny Ranomasina Mena.

Afrika Avaratra

Indreto ireo firenena hita ao amin' io faritra io: i Ejipta, i Libia, i Tonizia, i Aljeria, i Marôka, i Sahara Andrefana ary i Maoritania. Ny birao fanisam-bahoakan' i Etazonia dia mamaritra an' i Afrika Avaratra ho fitambaran' i Aljeria sy i Libia sy i Ejipta sy i Marôka ary i Tonizia.

Jereo koa hanova

Fizaram-paritra ao Afrika:

Faritra hafa: