I Andôra na ny Printsipaoten' i Andôra dia fanjakana ao Eorôpa Atsimo na Eorôpa Andrefana, ao amin’ ny faritr’ i Pyrenea, eo anelanelan’ i Frantsa sy i Espaina. Ny renivohiny dia i Andorra la Vella. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 467,63 km2 ny velaran-taniny ary miisa 85 082 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2011. Ny faritr' ora dia +1. Iray amin' ireo firenena madinika indrindra eto an-tany i Andôra. Printsipaote i Andôra, ka ny printsy miara-mitondra dia ny filohan' ny Repoblika  Frantsay sy ny evekan' i Urgel any Espaina. Nanomboka tamin' ny taona 1993 dia nanana ny lalàm-panorenany sy ny governemantany ary ny antenimierany manokana ity firtenena ity. Ahitana Andôràna (mihoatra kely ny 20 %) sy Espaniôla (mihoatra kely ny 40 %) sy Pôrtogey ary Frantsay ny mponina ao Andôra.

Sainan' i Andrôra
Sarin-tany maneho an' i Andôra ao Eorôpa
Sarin-tanin' i Andôra

Firenena manan-karena i Andôra, ka ny loharanon-kareny amin' izany dia ny fizahàn-tany sy ny fandraharahana ara-bola.

Jereo koa hanova

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Kôsôvô - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.