Tonizia
الجمهورية التونسية ((ar)) | |||||
((ar)) | |||||
Repoblikan'i Tonizia ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Hurriya, Nidham, ’Adala (Liberté, Ordre, Justice) | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | Arabo an-tsoratra | ||||
Renivohitra | Tunis 36°84′N 10°22′E / 37.400°N 10.367°E Coordinates: latitude minutes >= 60 {{#coordinates:}} : latitude invalide
| ||||
Tanàna ngeda indrindra | Tunis | ||||
Fitondrana sy governemanta - Presida ny Repoblika - Mpiray ministra |
Repoblika Filohansialy Kais Saied Hichem Mechichi | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 90 163 610 km² 5 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 77 10 327 800[1] mpo. 62,50 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Toniziana | ||||
IDH (2006) | Mihakatra 0,766 (moyen) | ||||
Sandam-bola | Dinar toniziana (TND )
| ||||
Faritr'ora | UTC +1 (été +2) | ||||
Hiram-pirenena | Humat Al-Hima | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+216
|
I Tonizia (amin'ny fiteny arabo : تونس) na Repoblika Toniziana dia firenena any Afrika Avaratra ao amin'ny faritr'i Magreba. Voafaritry ny ranomasina Mediteranea i Tonizia any avaratra sy any atsinanana. Mizara sisitany amin'i Aljeria izy any andrefana (965 km ny halava ny sisintany mizara azy amin'i Aljeria) ary mizara sisintany amin'i Libia izy any atsimo atsinanana (459 km ny halava ny sisintany mizara azy amin'i Libia). Ny renivohiny dia i Tunis, any avaratra atsinanan'ilay firenena.
Tanimaty ny 40 isan-jaton'ny tany tonizianina, ny 60 isan-jato mijanona dia tany azo ambolena, any Tonizia ankehitriny ny tanindrazan'ny Kartajinianina tamin'ny taonjato faha fito talohan'i Jesoa Kristy hatramin'ny taonjato faha roa talohan'i Jesoa Kristy, alohan'ny nahalasa azy "sompitry ny varimbazaha" ho an'ny Empira Rômana.
Régence de Tunis ny anaran'i Tonizia ankehitriny tamin'ny andron'ny empira Otomana, lasa "protectorat" frantsay i Tonizia tamin'ny 1881. Teo alohan'ny fahaleovantena (nahazo ny fahaleovantenany tamin'ny 20 Martsa 1956 i Tonizia), nahazo anarana hoe Fanjakanan'i Tonizia ilay firenena tamin'ny faran'ny fanjakan'i Lamine Bey, tsy nanana satana mpanjaka izany mihintsy. Tamin'ny fiantsoana ny repoblika tamin'ny 25 Jolay 1957, i Habib Bourguiba, leader ny tia-tanindrazana tonizianina, no filoha voalohany indrindra tao Tonizia ; filohan'i Tonizia mandritry ny telopolo taona izy. Tamin'ny faran'ny "fanjakan'i Bourguiba", ny praiministra Zine el-Abidine Bel Ali no nanohy ny tanjon'ny politikan'i Bourguiba, sady manao liberalisation koa eo akaiky eo.
TantaraHanova
JeôgrafiaHanova
Toe-tanyHanova
ToetrandroHanova
DemôgrafiaHanova
Jereo koaHanova
TsiahyHanova
|