Ranomasimbe Atlantika
Ny Ranomasimbe Atlantika dia anisan'ny ranomasimbe dimy eto an-tany. Ny velarantaniny dia misy 106 tapitrisa km², noho izany, izy no ranomasimbe ngeza indrindra ao aorian'ny Ranomasimbe Pasifika. Ny Ranomasimbe Atlantika dia vokatry ny fisarahan'ny Kôntinetanta eorô-afrikana sy ny Kôntinanta Amerikana 180 tapitrisa taona lasa izay. Ny Ranomasimbe Atlantika no ranomasina niaingan'ny fihazana eorôpeana nandritry ny taonjato maro. Amin'izao fotoana izao dia mbola lalana ifandraisana manan-danja izy ho an'ny firenena manana amorontsiraka amin'io ranomasina io ary manana anjara jeôpôlitika lehibe.
Ny ranomasimbe | ||||
![]() Arktika |
![]() Atlantika |
![]() Antarktika |
![]() Indianina |
![]() Pasifika |