I Orogoay dia firenena ao Amerika Atsimo, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. I Montevideo no ny renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Montevideo. Mirefy 176 215 km2 ny velarany ary niisa 3 286 314 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny volana Jolay 2011. Ny faritr' orany dia +11.

Sainan'i Orogoay

Ny tanim-pirenen' i Orogoay dia fitohizan' ny Pampa Arzantina: amin' ny ankapobeny dia tany lemaka mialonalona aniriana ahitra ny ankabeazan' ny tanin' i Orogoay. Ny ony Negro (izay mamakivaky an' ilay firenena avy any atsinanana ka hatrany andrefana) sy ny ony Uruguay (izay zary sisintany manasaraka azy amin' i Arzantina, any andrefan' ilay firenena) no korian-drano lehibe indrindra ao Orogoay.

Ny ankamaroan' ny Orogoaiana dia taranaky ny Eorôpeana. Katôlika ny ankamaroany. Monina an-tanàn-dehibe ny mponina ary mipetraka indrindra any amin' ny morontsirak' i Atlantika. Ny indostria sy ny fizahan-tany dia mitana toerana lehibe eo amin' ny toekaren' i Orogoay. Na izany aza, ny fambolena sy ny fiompiana dia mbola mijanona ho sehatra tena ilaina: ny fiompiana (ondry sy omby), izay fanao eny amin' ny lemaka lehibe, dia miantoka ny ampahany lehibe amin' ny fanondranana mankany ivelany, ka hena sy volonondry (ity firenena ity dia isan' ny mpamokatra volonondry voalohany eran' izao tontolo izao) ary hoditra. Mivoatra koa ny jono.

Zanatany espaniôla taloha, Orogoay dia nahaleo tena nanomboka tamin' ny 1828.

Jereo koa hanova

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity - Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela

Kôntinenta eto an-tany

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.