Antandroy
Ny Antandroy na Tandroy na Ntandroy dia vondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo indrindra eto Madagasikara monina eo anelanelan' ny ony Menarandra ao andrefana sy Mandrare ao atsinanana ary ny havoana Vohimainty ao avaratra. Any amin' ny Faritra Androy no misy azy. Ireto ny tanàna lehibe any: Ambovombe sy Beloha ary Tsihombe.
Ireo foko ao amin' ny vondrona antandroyHanova
Ireto ny foko ao amin' ny vondrom-poko antandroy: ny Ambonitaka, ny Amparehesa, ny Analave, ny Analavondrove, ny Anjeka, ny Antambaly, ny Antambanditsy, ny Antambaro, ny Antemokafo, ny Antesomangy, ny Antezaha, ny Esila, ny Mahatomotsy, ny Maroaloka, ny Renivave, ny Sahivohitse, ny Tamboroho, ny Tsienimbalala, ny Tsimanata, ny Zafindramalo, ny Zafindramanary, ny Zafindravalo, ny Zafindravoay ary ny Zafitsifaly[1].
Jereo koaHanova
Ny mponina eto MadagasikaraHanova
Ny foko eto MadagasikaraHanova
- Antefasy - Antemoro - Antesaka - Antankarana - Antambahoaka - Antandroy - Antanosy - Bara - Beosy - Betsimisaraka - Betsileo - Bezanozano - Mahafaly - Makoa - Masikoro - Merina - Mikea - Sakalava - Sihanaka - Tanala - Tsimihety - Vezo - Zafimaniry - Zafisoro.
Ny vahoaka hafa eto MadagasikaraHanova
Loharano sy fanamarihanaHanova
- ↑ Randriamamonjy Frédéric, Tantaran' i Madagasikara isam-paritra, 2006, pp. 73-76.