Ny saonjo (sahôgno :avaratra ny Nosy) dia zavamaniry misy vodiny azo hanina (tetehina madinika, afangaro vanio, antsoina hoe sahoaba, Batabata kosa no ilazana azy raha tsy tetehina) izay maniry sy volena amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany. Azo hanina atao laoka koa ny taho sy ny ravin-tsaonjo(agnan-tsaôgno :avy avaratra), tena matsiaro kanefa mila ketrehina fotoana maharitra. Mampalailay vava ny mihinana ny vodiny na ny raviny na ny tahony raha mbola tsy nahandroina. Ny vodisaonjo dia miendrika varingarina na kitsoloha, mifono hoditra mafy, sahala amin' ny an' ny mangahazo. Sakafo mahavelona any Afrika sy Ôseania ary any Azia Atsimo ny saonjo, indrindra ny vodiny. Colocasia esculenta ny anarany ara-tsiansa.

Saonjo
Vodisaonjo
tanin-tsaonjo

Jereo koa hanova