Ny ampemba na ampemby dia zavamaniry toy ny katsaka maniry amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany na toetany mediteraneana. Ampiasaina indrindra ho hanin’ ny biby fiompy ny ampemba. Ny karazany sasany dia volena koa mba hohanin’ ny olona. Atao hoe Sorghum ny anarana siantifikan’ ny ampemba. Ny karazana ampemba fihinam-boa dia ny Sorghum durra  sy ny Sorghum subglabrescens ary ny Sorghum caffrorum. Ny ampemba fihinam-biby dia ny Sorghum vulgare sy ny Sorghum bicolor.

Salohin' ampemba (Sorghum bicolor)

Fielezan’ ny fambolena azy

hanova

Fiaviany sy fielezany

hanova
 
Tanin' ampemba ao Addi Azmera, any Etiôpia

Mety tao Afrika no nanirian’ ny ampemba voalohany, dia ilay karazana ampemba atao amin’ ny anarana siantifika hoe Sorghum vulgare. Maniry amin’ ny faritra mafana ny ampemba nefa afaka maniry koa amin’ ny faritra manana toetany antonony. Niitatra manerana ny faritra eto amin’ izao tontolo izao manana toetany anelanelan’ ny zana-pehin-tany ny fambolena ampemba, hatrany amin’ ny faritra manana toetany antonony amin’ ny ila-bolantany atsimo sy avaratra.

Firenena mpamboly ampemba

hanova

Mamboly ampemba ny any amin’ ny firenena sasany tao amin’ ny Firaisana Sôvietika taloha, ny firenana toa an’ i Pôlônia, ny firenena maro aty Afrika, ny any Sina ary ny firenena ao Eorôpa Andrefana, indrindra i Alemaina.

Noho ny fatantezany hafanana sy haintany mandritra ny fotoana lava dia mety tsara amin’ ny lemaka midadasika ao Amerika Avaratra ny ampemba. Volena betsaka ao amin’ny faritra afovoany sy andrefan’ i Etazonia ny ampemba ka ahafahana mampitombo izaitsizy ny fampiasana ity zavamaniry ity ao amin’ io firenena io.

Toetrany sy fampiasana azy

hanova

Misy poizina

hanova

Mandra-pisian’ny voniny, ny ampemba dia misy gliokôzy izay mamokatra asidra sianidrika izay mahatonga azy hahafaty ny biby. Kely anefa ny asidra ao amin’ ny ampemba raha volena amin’ ny tany lonaka sy mitazona rano betsaka.

Fampiasana ny ampemba

hanova

Ankoatry ny fampiasana ny ampemba amin’ ny fanaovana sakafom-biby, dia atao sakafon’ olombelona ny voany izay potehina ho lasa koba na karakaraina ho lasa zavapisotro.

Jereo koa

hanova