Marovany
Ny valiha marovany na marovany dia zavamaneno vita amin' ny takela-kazo narafitra ho lasa vata lavalava misy lafiny sy zorony, tsy toy ny valiha izay varingarina. Ny tadiny taroby dia apetraka eo amin' ny lafiny roa ankavia sy anlavanana amin' ny vatany, ary matetika dia roa ambin' ny folo isa amin' ny lafiny iray ary iraika ambin' ny folo amin' ny ilany.
