Ranomasimbe Indiana
Ny Ranomasimbe Indiana na Ôseana Indiana no fahatelo lehibe indrindra amin' ny ranomasimbe dimy eran-tany, mirefy 70 560 000 km2 na 20 % eo ho eo amin' ny velaran-dranon' ny Tany. Voafaritr' i Azia any avaratra, i Afrika any andrefana ary i Aostralia any atsinanana. Eo amin' ny ilany atsimo dia voafaritry ny Ranomasimbe Atsimo na Ranomasimbe Antarktika, arakaraka ny famaritana ampiasaina. Amin' ny antsipiriany kokoa, ny Ranomasimbe Indiana dia voafaritr' i India sy i Pakistana ary Irana any avaratra; i Birmania, i Tailandy, i Malezia, i Indônezia ary i Aostralia any atsinanana; ny Ranomasimbe Antarktika any atsimo ary i Afrika sy ny Saikanosy Arabo any andrefana. Manana ranomasim-paritra maro ny Ranomasimbe Indiana, anisan' izany ny Ranomasin' i Andaman, ny Ranomasin' i Arabia, ny Helodranon' i Bengaly, ary ny Ranomasin' ny Lakshadweep.
Nantsoina hoe Ranomasimbe Atsinanana izy io, ary ny anarany ankehitriny dia avy amin' ny anaran' i India, izay mandroso ao anatiny, ary ity anarany ankehitriny ity dia fantatra, fara fahakeliny, nanomboka tamin' ny taona 1515. Izy no ranomasimbe tokana nomena anaram-pirenena.
3 741 m eo ho eo ny salan-kalalin' ny Ranomasimbe Indiana. Any amin' ny Ila-bolantany atsinanana manontolo no misy azy. Tsy toy ny Ranomasimbe Atlantika sy ny Ranomasimbe Pasifika, ny Ranomasimbe Indiana dia hodidinin' ny sisin-tany sy vondronosy iray amin' ny lafiny telo, sady manana ny ivony eo amin' ny Saikanosy Indiana. Eo amin' ny lafiny jeôlôjia dia ny Ranomasimbe Indianina no zandriny indrindra amin' ny ranomasimbe lehibe, miaraka amin' ny vombony velona mivelatra sy ny endrika manokana toy ny havoana an-dranomasina sy vombo foronina teboka mafana.
Miavaka noho ny fisian' ny rivo-pizaran-taona (frantsay: mousson) ny toetany aty amin' ny Ranomasimbe Indiana. Io no ranomasina mafana indrindra, ka misy fiantraikany lehibe amin' ny toetany maneran-tany izany noho ny fifandraisany amin' ny atmôsfera. Iharan' ny vezivezin' i Walker ny ranony, ka miteraka rian-dranomasina sy fiakaran' ny rano avy any ambany tsy manam-paharoa. Ny Ranomasimbe Indiana dia ahitana tontolo iainana isan-karazany sy zavamananaina an-dranomasina manan-danja sy rafitra tontolo iainana toy ny haran-dranomasina, ny ala honko, ary ahi-dranomasina. Ao no ahitana ny ampahany be amin' ny fanjonoana lamàtra sy trondro hafa mitovitovy aminy (Thunnini) maneran-tany sady fonenan' ny karazan-javamananaina an-dranomasina atahorana ho lany tamingana. Miatrika olana toy ny fanjonoana tafahoatra sy ny fandotoana izy io, anisan' izany ny faritra fanariam-pako lehibe.
Araka ny tantara dia ivon' ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy ara-barotra hatry ny ela ny Ranomasimbe Indiana. Nitana anjara toerana lehibe tamin' ny fifindrà-monin' ny olombelona sy ny fielezan' ny sivilizasiôna izy io. Amin' izao andro ankehitriny izao dia mbola zava-dehibe amin' ny raharaham-barotra eran-tany ity ranomasimbe ity, indrindra amin' ny solitany sy ny akoranafo. Ny olana ara-tontolo iainana sy ara-jeôpôlitika ao amin' ny faritry ny Ranomasimbe Indiana dia ahitana ny vokatry ny fiovan' ny toetany, ny asan-jiolahin-tsambo ary ny fifandirana momba ny nosy ao aminy.
Ny nosy ao amin' ny Ranomasimbe Indiana
hanovaIndreto ny nosy sy ny vondronosy ao amin' ny Ranomasimbe Indiana:
- ny nosy Madagasikara
- ny Vondronosy Kômôro
- ny vondronosy Seisely
- ny nosy La Réunion
- ny nosy Maorisy
- ny nosy Rodrigues (miankina amin' ny nosy Maorisy)
- ny Nosy Miparitaka: Bassas da India, Europa, Glorieuses, Juan de Nova ary Tromelin
- i Diego Garcia, fizatan-tany anglisy aty amin' ny Ranomasimbe Indiana ao amin' ny Vondronosy Chagos
- ny vondronosy Maldiva
- i Sri Lanka
- ny Vondronosy Andaman sy Nicobar, tanin' i India
- ny nosy Christmas, tanin' i Aostralia
- ny vondonosy Cocos, tanin' i Aostralia
- ny vondronosy indôneziana manaraka ny moron' ny nosy Sumatra: Banyak, Simeulue, Nias, Mentawai, Enggano, sy ny moron' ny nosy Java: Deli, Tinjil, Kambangan, Sempu.
Ao koa ny nosy ao anatin' ny Terres australes et antarctiques françaises:
- ny nosy Amsterdam sy ny nosy Saint-Paul,
- ny vondronosy Crozet,
- ny vondronosy Kerguelen (antsoina ihany koa hoe îles de la Désolation).
Jereo koa
hanovaNy ranomasimbe | ||||
Arktika |
Atlantika |
Antarktika |
Indianina |
Pasifika |