Voajabo
Ny voajabo na voanketsihetsy na voazavo dia karazan-javamaniry mamony, teratany aty Afrika., ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae. Citrullus lanatus ny anarany amin' ny siansa. Atao hoe voajabo na voanketsihetsy na voazavo ihany koa ny voany. Ity zavamaniry ity dia volena maneran-tany, sady misy zana-karazana maherin' ny 1 000. Ity zavamaniry ity dia maniry isan-taona, misy tahony mandady, misy tsibolo fotsy sy lava, manana ravina betsaka izay ahitana ampahan-dravina 3 hatramin' ny 5, ary ny voany dia lehibe, misy nofony feno rano. Ambolena betsaka izy io mba hahazoana ny voany lehibe sy malama, misy nofony mena sy vihy mainty.


Na dia misy rano mihoatra ny 90 % aza ny voazavo dia ahitana singa mahavelona maro hafa ihany koa, anisan' izany ny siramamy, ny likôpenina (fandoko mena) ary asidra aminina, izay mahatsara ny fahasalaman' ny fo sy ny lalandra, toy ny sitrolinina, ny arzininina ary ny glotatiônina.
Jereo koa
hanovaI Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Watermelons in Madagascar |