Ny famorana dia fanesorana ny loha tsitsy (ilay hoditra mamono ny lohan' ny fitaovam-pananahan' ny lehilahy), izay misy heviny ara-pivavahana, indrindra ao amin' ny jodaisma sy ny silamo. Ny famorana dia fombafomba ara-pivavahana be mpanao nandrita ny Andro Taloha. Fomba mampanana sata vaovao ny famorana eo amin' ny jodaisma. Amin' ny Miozolmana dia fanehoana ny fanadiovana ara-panahy ny famorana. Tany Ejipta taloha, tany amin' ny taona 2300 tal. J.K. dia efa nisy ny famorana izay heverin' ny mpikaroka fa natao famantarana ny andevo.

Famorana any Azia Afovoany (1865–1872)
Tahan' ny fanaovana famorana:     >80%      20-80%      <20%      N/A

Teny malagasy hanova

Ireto ny teny ilazana koa ny famorana amin' ny teny malagasy: didifoitra, hasoavana, sambatra, sikina[1].

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "Famorana", ao amin' ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.