Sodina
Ny sodina dia zavamaneno tsofina amin' ny vava, toy ny fantsona mahitsy, misy lavaka milahatra manaraka ny halavany izay tampenana manontolo amin' ny rantsan-tanana afa-tsy ny iray izay avela hivoha mba hivoahan' ny haavom-peo tiana ho heno. Amin' ny teny indôneziana dia atao hoe suling ny sodina fa amin' ny teny soahily kosa dia zumari (izay niavian' ny teny malagasy hoe anjomara).

Ny any amin' ny faritra afovoan-tany no tena mahafehy ny fampiasana an' io zavamaneno io raha ny eto Madagasikara. Ampiarahina amin' ny sodina hafa na amin’ ny amponga izy mba hanentanana ny lanonana an-kalamanjana.