Ny fantiolotsy na fantsiolotsy dia karazana zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Didiereaceae, misy tsilo sy ravina tena kely mora mihintsana, mampiavaka ny kirihitra maniry amin' ny faritra somary maina any amin' ny faritra atsimo amin' i Madagasikara. Alluaudia procera no anarana ara-tsiansa nomena azy.

Fantiolotsy

Misy fiovaovana kely isaky ny mpiteny sy ny mpanoratra ny anaran' io zavamaniry io: fantiolotsy, fantsiolotsy, fantiholotsy, fantsiholotsy, fantiolitsy, fantsiolitsy, fantiholitsy, fantsiholitsy, fantiolotra, fantsiolotra, fantiholotra, fantsiholotra, fantiolitra, fantsiolitra, fantiholitra, fantsiholitra.

Tsilo sy raviny kely amin' ny fantiolotsy

Mivondrona ho kirihitra misy tsilo mafy mitsangana mahatratra 8 m ny haavony. Ny hazo antitra dia mahatratra hatramin' ny 18 m. Ny taho dia mitsangana sy matevina ary miloko volondavenona. Ireo taho ireo dia mitondra tsilo milahatra manao andalana manaraka ny halavany. Eo anelanelan' ireo andalan-tsilo no misy ny andalan-dravina madinika miloko maitso mavana. Mihintsana ireo raviny ireo rehefa misy hain-tany. Ny vonin' ny fantiolotsy dia miseho eo an-tampon' ny tahony, rehefa mahatratra 3 m ny haavon' ilay hazo.

Eto Madagasikara, ny taho matevina sy ny rantsany maina dia ampiasaina amin' ny fanorenana sy ny fandrafetana ary ny fanaovana arina. Avy amin' io hazo mora sokirina io no anaovana ny aloalo izay mandravaka ny fasan' ny Bara sy ny Mahafaly ary ny Antandroy amin' ny ankapobeny.

Indreto koa ny anarana ahafantarana azy amin' ny teny malagasy: fantiolotsy, fantsiolotsy, fantiholotsy, fantsiholotsy, fantiolitsy, fantsiolitsy, fantiholitsy, fantsiholitsy, fantiolotra, fantsiolotra, fantiholotra, fantsiholotra, fantiolitra, fantsiolitra, fantiholitra, fantsiholitra, rohondro, somoratsy[1].

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Any amin' ny faritra mahafaly dia atsoina hoe "fantiolotse" ihany koa ilay zavamaniry atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Euphorbia isaloensis.