I Ôsetia Atsimo na Repoblikan' i Ôsetia Atsimo na Ôsetian' i Alania Atsimo dia faritany manan-tsata mbola iadiana hevitra any amin' ny faritr' i Kaokazy any Eorôpa. Atao hoe Хуссар Ирыстон / Khussar Iryston sy Республикӕ Хуссар Ирыстон / Respublikæ Xussar Iryston izy amin' ny teny ôsetiana; Южная Осетия / Yuzhnaya Ossetiya sy Республика Южная Осетия / Respublika Yuzhnaya Ossetiya amin' ny teny rosiana; ary სამხრეთ ოსეთი, / Samkhret Osseti na სამაჩაბლო / Samatchablo amin' ny teny jeôrjiana.

Sainan' i Ôsetia Atsimo
Toerana misy an' i Ôsetia Atsimo

Nisaraka tamin'i Jeôrjia i Ôsetia Atsimo tamin' ny taona 1992 ary nanambara ny tenany ho repoblika mahaleo tena. I Jeôrjia sy ny ankamaroan' ny firenena ao amin' ny Firenena Mikambana dia tsy manaiky izany fahaleovantena izany ary mihevitra an' i Ôsetia Atsimo ho faritra mizaka tena ao amin' ny faritany jeôrjianan' i Kartlia Anatiny. Taorian' ny ady tamin' ny taona 2008 dia neken' i Rosia, i Abkazia, i Transnistria, i Siria, i Nikaragoa, i Venezoelà ary ny nosy Naoro ny fahaleovantenan' i Ôsetia Atsimo.

Io repoblika dia misy mponina 50 000 ao amin' ny veleran-tany mirefy 3 900 km2. Ny renivohiny dia i Tskhinvali . I Anatoly Bibilov no filohany nanomboka ny 21 Avrily 2017.

Jereo koa hanova

Lisitry ny firenena any Azia:

Fanjakana mbola misy olana: