I Indôsina dia faritra eto amin' izao tontolo izao, izay tsy iza fa ny sakanosy eo anelanelan' i India sy i Sina, izay mahafaoka an' i Birmania (na Mianmara), i Tailandy, ny saikanosy Malacca, i Kambôdia, i Laôsy ary i Vietnamy. Raha afintina ny hevir' io teny io dia tsy manondro afa-tsy i Kambôdia, i Laôsy ary i Vietnamy, izay nantsoina hoe "Indôsina frantsay" teo anelanelan' ny taona 1893 sy 1954. Ny hoe "Indosina britanika" koa dia nampiasaina hanondroana an' i Birmania tamin' ny vanimpotoan' ny fanjanahan-tany. Ny helodranon' i Bengaly sy ny ranomasin' i Andamàna ary ny andilan-dranomasin' i Malacca ao andrefana, ary ny tapany atsimon' ny ranomasin' i Sina no manodidina an' i Indôsina. Amin' ny heviny mivelatra kokoa dia manondro ny faritra an-taniben' i Azia Atsimo-Atsinanana, ny tapany atsimo amin' i Sina ary ny tapany atsinanana amin' ny zana-kôntinenta indiana ny hoe "Indôsina".

I Indôsina

Jereo koa hanova

Ireo faritra ara-dafintany ao Azia hanova

Fizaràm-paritra hafa ao Azia hanova