Timôro Atsinanana
I Timôro Atsinanana na Repoblika Demôkratikan' i Timôro Atsinanana dia firenena any Azia Atsimo-Atsinanana. Ny renivohiny dia Dili. Ity renivohiny ity ihany no tanàna lehibe indrindra any. Mirefy 15 410 km2 ny velaranny ary 1 354 662 ny isan' ny mponina ao aminy araka ny tombantombana natao tamin' ny taona 2023. Ny faritr' orany dia +9. Amin' ny teny pôrtogey izy dia tao hoe Timor-Leste sy República Democrática de Timor-Leste, amin' ny teny tetoma kosa dia Timor Lorosa'e sy Repúblika Demokrátika Timór-Leste.
Izy io dia mandrafitra ny tapany atsinanan' ny nosy Timor - izay niavian' ny anarany - sy i Oecusse, faritra iray any amin' ny ilany andrefan' ity nosy ao ain' ny Vondro-nosy Sunda ity. Voahodidin' i Timôro Andrefana izay eo ambanin' ny fiandrianam-pirenen' i Indônezia izy, sy ny nosy Atauro ary ny nosy Jaco. Ny dôlara amerikana no vola ampiasainy.
Zanatany pôrtogey nandritra ny efajato taona teo ho eo i Timôro Atsinanana, ary nahazo ny fahaleovantenany tamin' ny 28 Nôvambra 1975 taorian' ny Revolução dos Cravos tao Pôrtogaly. Iray volana latsaka taorian' izay dia notafihin' ny tafika indôneziana ny tapany atsinanan' ilay nosy tamin' ny 7 Desambra, ary nakambatr' i Indônezia aminy tamin' ny fanapahan-keviny samirery tamin' ny taminy 1976. Tsy neken' ny Firenena Mikambana io fanakambanana io, ka nisy ny fikarakarana fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fahaleovan-tena tamin' ny Aogositra 1999 izay nitarika ho amin' ny fahaleovantena fenon' i Timôro Atsinanana tamin' ny taona 2002, taorian' ny fotoana nisian' ny ra mandriaka sy ny fandroban' ny tafika indôneziana ny tanàna lehibe.
I Timôro Atsinanana sy i Filipina no hany firenena any Azia Atsimo-Atsinanana izay maha lehibe indrindra ny katôlisisma amin' ny fivavahana hita any. Ny fiteny pôrtogey sy ny fiteny tetoma no fiteny ôfisialy ao amin' ilay firenena. Eken' ny lalàmpanorenanan' i Timôro Atsinanana ho fiteny enti-miasa ihany koa ny fiteny indôneziana sy ny fiteny anglisy, nefa tsy manana ny satan' ny fiteny ôfisialy.
Jereo koa
hanovaFirenena ao Azia:
- Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Timôro Atsinanana - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany:
- Afrika - Amerika (Amerika Avaratra - Amerika Atsimo) Azia - Eorôpa - Ôseania