I Masreka na Masrika dia ny faritra misy ny Arabo any Atsinanana (sy ao Afrika Avaratra koa indraindray), izay tsy manana famaritana ara-jeôgrafia raikitra fa miovaova arakaraka ny mpanoratra sy ny mpiteny. Matetika dia ny faritra mahafaoka an' i Iràka sy i Siria sy i Libàna sy i Jôrdania ary i Palestina no tondroina amin' ny hoe Masreka. Amin' ny heviny mivelatra dia mahafaoka an' i Arabia Saodita, i Bareina, i Ejipta, ny Emirata Arabo Mitambatra, i Iemena, i Iràka, i Jôrdania, i Katara, i Kôety, i Libàna, i Ômàna, i Palestina ary i Siria, nefa tsy isan' izany i Sômalia sy i Jiboty ary i Kômôro izay samy ao anatin' ny Liga Arabo.

I Masreka, amin' ny heviny mifintina
I Masreka, amin' ny heviny mivelatra

Atao hoe المشرق العربي / Al-Mashreq al-Arabi na المشرق / Al-Mašriq izy amin' ny teny arabo.

Jereo koa hanova

Ireo faritra ara-dafintany ao Azia

Fizaràm-paritra hafa ao Azia