Faritra eto Madagasikara
Ny faritra eto Madagasikara dia fizaràna ny tanim-pirenena malagasy izay neritreretin' ny mpamolavola ny lalàmpanorenana sy ny lalàna fehizoro momba izany ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana lehibe noho ny kaominina sy kely noho ny faritany sady fari-piadidiana ara-pitantanan-draharaham-panjakana izay miisa telo amby roapolo (raha roa amby roapolo izany tamin' ny fiantombohany).

Ireo no lasa fizaràna voalohany ny tanim-pirenena malagasy tamin' ny fanafoanana ny maha vondrom-paritra ny faritany enina tamin' ny volana Ôktôbra 2009 ary ny namoronana ny faritra eto Madagasikara tamin' ny alalan' ny lalàna faha-2004-001. Tamin' ny fanovana ny lalàmpanorenana tamin' ny taona 2010 dia lasa fizaràna ao amin' ny faritany, izay naverina ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, indray ny faritra. Ny lalàna faha-2014-020 tamin' ny taona 2014 dia nilazalaza amin' ny antsipiriany ny amin' ny vondrom-paritra misy eto Madagasikara (ny faritany sy ny faritra ary ny kaominina). Araka ny lalàmpanorenan' i Madagasikara tamin' ny taona 2010 dia anisan' ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana sady faritra ara-pitantanan-draharaham-panjakana ao amin' ny sehatry ny fanapariaham-pahefana ny faritra satria mifehy koa ny lehiben' ny distrika sy ny lehiben' ny sampan-draharaham-panjakana ny lehiben' ny faritra.
Fandaminana hanova
Ny voalazan' ny lalàmpanorenena sy ny lalàna hanova
Araka ny voalazan' ny lalàmpanorenana malagasy sy ny lalàna fehizoro momba ny vondrom-paritra na ny faritra manokana eto Madagasikara dia misy fahefana roa ny ao amin' ny fitantanana ny faritra, dia ny Filankevitra sy ny Birao mpanatanteraka. Ny Filankevitra ao amin' ny faritra dia tokony ahitana mpanolotsaina voafidy izay tarihin' ny filoha nofidin' izy ireo, fa ny Birao mpanatanteraka kosa dia tarihin' ny lehiben' ny faritra izay olom-boafidy ihany koa sady misolo tena ny Governemanta eo amin' ny faritra iadidiany.
Ny zava-misy hanova
Tsy tanteraka hatrany ny voalazan' ny lalàmpanorenana na ny lalàna fehizoro tandrify izany, hatramin' ny namoronana ny faritra, ny amin' ny tokony hifidianana ny lehiben' ny faritra. Ankehitriny dia tendren' ny filohan' ny Repoblika mivantana ny lehiben' ny faritra izay atao hoe governora ankehitriny. Tsy voatsangana ny Filankevitra izay tokony hisahana ny fanapahan-kevitra sy handany ny tetibola ary hanaramaso ny asan' ny Birao mpanatanteraka. Ny kaominina ihany ankehitriny no mahafeno ny fepetra maha vondrom-paritra itsinjaram-pahefana azy.
Ny faritra isam-paritany hanova
Toy izao ny fitsinjaran' ireo faritra ireo isam-paritany:
Faritra ao amin' ny Faritanin' Antsiranana hanova
Misy faritra roa ny ao amin'ny Faritanin' Antsiranana, ka ireto avy izy ireo:
Faritra ao amin' ny Faritanin' i Mahajanga hanova
Misy faritra efatra ny ao amin' ny Faritanin' i Mahajanga, ka ireto avy izy ireo:
Faritra ao amin' ny Faritanin' Antananarivo hanova
Misy faritra efatra ny ao amin' ny Faritanin' Antananarivo, ka ireto avy izy ireo:
Faritra ao amin' ny Faritanin' i Toamasina hanova
Misy faritra telo ny ao amin' ny Faritanin' i Toamasina, ka ireto avy izy ireo:
Faritra ao amin' ny Faritanin' i Fianarantsoa hanova
Misy faritra dimy ny ao amin' ny Faritanin' i Fianarantsoa, ka ireto avy izy ireo:
- Faritra Atsimo-Atsinanana
- Faritra Amoron'i Mania
- Faritra Ihorombe
- Faritra Matsiatra Ambony
- Faritra Vatovavy
- Faritra Fitovinany
Faritra ao amin' ny Faritanin' i Toliara hanova
Misy faritra efatra ny ao amin' ny Faritanin' i Toliara, ka ireto avy izy ireo:
Ny faritra 22 eto Madagasikara hanova
Laharana amin'ny sarintany |
Anarana |
Velarantany (km²) |
Isam-ponina (faminavinana 2004) |
Hakitroky ny mponina |
Renvohitra |
---|---|---|---|---|---|
1 | Diana | 19 266 | 485 800 | 25,2 | Antsiranana |
2 | Sava | 25 518 | 805 300 | 31,6 | Sambava |
3 | Itasy | 6 993 | 643 000 | 91,9 | Miarinarivo |
4 | Analamanga | 16 911 | 2 811 500 | 166,3 | Antananarivo-Renivohitra |
5 | Vakinankaratra | 16 599 | 1 589 800 | 95,8 | Antsirabe I |
6 | Bongolava | 16 688 | 326 600 | 19,6 | Tsiroanomandidy |
7 | Sofia | 50 100 | 940 800 | 18,8 | Antsohihy |
8 | Boeny | 31 046 | 543 200 | 17,5 | Mahajanga I |
9 | Betsiboka | 30 025 | 236 500 | 7,9 | Maevatanana |
10 | Melaky | 38 852 | 175 500 | 4,5 | Maintirano |
11 | Alaotra-Mangoro | 31 948 | 877 700 | 27,5 | Ambatondrazaka |
12 | Atsinanana | 21 934 | 1 117 100 | 50,9 | Toamasina I |
13 | Analanjirofo | 21 930 | 860 800 | 39,3 | Fenoarivo Atsinanana |
14 | Amoron'i Mania | 16 141 | 693 200 | 42,9 | Ambositra |
15 | Matsiatra Ambony | 21 080 | 1 128 900 | 53,5 | Fianarantsoa I |
16 | Vatovavy-Fitovinany | 19 605 | 1 097 700 | 56,0 | Manakara |
17 | Atsimo-Atsinanana | 18 863 | 621 200 | 32,9 | Farafangana |
18 | Ihorombe | 26 391 | 189 200 | 7,2 | Ihosy |
19 | Menabe | 46 121 | 390 800 | 8,5 | Morondava |
20 | Atsimo-Andrefana | 66 236 | 1 018 500 | 15,4 | Toliara I |
21 | Androy | 19 317 | 476 600 | 24,7 | Ambovombe |
22 | Anosy | 25 731 | 544 200 | 21,1 | Taolagnaro |
Fifidianana hanova
Natao tamin' ny 16 Martsa 2008 ny fifidianana ny filan-kevitry ny faritra voalohany.
Jereo koa hanova
- Tantaran' i Madagasikara
- Governemanta malagasy
- Pôlitika eto Madagasikara
- Faritany eto Madagasikara
- Distrika eto Madagasikara
- Kaominina eto Madagasikara
- Jeôgrafian' i Madagasikara
- Vondrom-paritra
- Fitsinjaram-pahefana
- Fanapariaham-pahefana
- Lalàmpanorenan' i Madagasikara
- Fitsinjaràn' ny tanim-pirenen' i Madagasikara
Rohy ivelany hanova
Lahatsoratra samihafa
- "Communes et régions à Madagascar, De nouveaux acteurs dans la gestion locale de l'environnement", cairn.info
- "Lois annotées sur la décentralisation", fes.de
- "Maroantsetra – Mananara : La création de la 24ème région adoptée en Conseil des ministres", midi-madagasikara.mg
- "Gouverneur de région : du provisoire permanent", madagascar-tribune.com
Didy aman-dalàna
- "Loi n°2004-001 relative aux Régions" (pdf), faolex.fao.org
- "Loi n°2014-020 du 27 septembre 2014 Relative aux ressources des Collectivités territoriales décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes Archived Desambra 11, 2022 at the Wayback Machine.", ceni-madagascar.mg
- "Loi organique n° 2014-018 du 12 septembre 2014 régissant les compétences, les modalités d’organisation et de fonctionnement des Collectivités territoriales décentralisées, ainsi que celles de la gestion de leurs propres affaires.", dgfag.mg
- "Loi n°2014-021 relative à la représentation de l’Etat" (pdf), droit-afrique.com
- "Loi n°2015-002 complétant l’annexe n°01 de la loi n° 2014-020 du 27 septembre 2014 relative aux ressources des Collectivités territoriales décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes Archived Novambra 11, 2021 at the Wayback Machine.", ceni-madagascar.mg
- "Loi n° 2021-012 modifiant l’annexe n° 01 de la Loi n° 2014-020 du 27 septembre 2014, modifiée et complétée par la Loi n° 2018-011 du 11 juillet 2018, relative aux ressources des Collectivités Territoriales Décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes" (pdf), assemblee-nationale.mg