Fitsinjaràn' ny tanim-pirenen' i Madagasikara
Ny fitsinjaràna ny tanim-pirenen' i Madagasikara dia nivoatra nandritra ny tantara ka narafitra ho faritany, faritra, distrika (na departemanta), kaominina, fokonolona ary fokontany. Ny Lalàmpanorenana farany tamin' ny taona 2010 dia mitazona ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany sy ny faritra ary ny kaominina.
Fivoarana teo amin' ny tantara
hanovaRepoblika voalohany
hanovaTamin' ny taona 1959, rehefa niforona ny Repoblika voalohany tamin' ny fahaleovantenan' i Madagasikara, ny Lalàmpanorenany dia namaritra ny faritany sy ny kaominina ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana.
Repoblika faharoa
hanovaTeo anelanelan' ny taona 1975 sy 1991, tamin' ny andron' ny Repoblika faharoa dia nisy ambaratonga dimy ny fizaràna:
- ny faritany enina, izay lasa faritany mizakatena taty aoriana;
- ny fivondronana na fivondronam-pokontany (prefektiora sy soprefektiora taloha lasa distrika);
- ny firaisana na firaisam-pokontany (kantao teo aloha);
- ny fokontany (vohitra na vakin-tanàna);
- ny fokonolona (vondron' olona isaky ny vohitra nentim-paharazana).
Repoblika fahatelo
hanovaTamin' ny taona 1992, ny Lalàmpanorenan' ny Repoblika fahatelo dia nandefa tany amin' ny Lalàna faha-93-005 mamaritra ny vondrom-paritra, dia ny faritra, ny departemanta ary ny kaominina. Miorina amin' izany, ny Lalàna 94-001 dia mitanisa faritra miisa 28 sy departemanta miisa 158 ary kaominina miisa 1 295.
Ny fanavaozana ny Lalàmpanorenan' ny taona 1992 tamin' ny taona 1998 dia nampiditra indray ny faritany izay lasa mizaka tena. Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana manana ny fizakan-tenany ara-pitantanana sy ara-bola ny faritany mizaka tena. Teo ambany fahefan' ireo faritany mizaka tena ireo ny faritra sy ny kaominina.
Ny Lalàna faha-2004-0016 tamin' ny 17 Jona 2004 dia namerina ny faritra 22 nefa tsy nanafoana ny andraikitra ara-pitantanan-draharaham-panjakan' ny faritany. Sady vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritra no fari-piadidiana ara-pitantanan-draharaham-panjakana.
Ny fanavaozana ny Lalàmpanorenan' ny taona 1992 tamin' ny taona 2007 dia nanamafy io ambaratonga io izay mitsinjara ny tanim-pirenena malagasy ho faritra sy kaominina, ary nanaisotra ny andraikitra rehetra teo amin' ny faritany sy ny departemanta.
Rafitra ankehitriny
hanovaTamin' ny Repoblika fahefatra sy tao amin' ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 dia lasa vondrom-paritra itsinjaram-pahefana indray ny faritany sy ny faritra ary ny kaominina. Soloan' ny tompon' andraikitra ao amin' ny fokontany, izay mandray anjara amin' ny fampandehanan-draharaha eo amin' ny kaominina, ny fokonolona.
Faritany 6 sy faritra 25 (22 teo aloha) ary kaominina an-tanàndehibe sy ambanivohitra miisa 1 549 (izay nitombo isa taty aoriana) no mandrafitra ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana araka ny Lalàna faha-2014-020, talohan' ny nizaràn' ny Didim-panjakana faha-2015-592 ny firenena ho kaominina miisa 1 693.
Faritany sy faritra
hanovaNizara ho faritra 22 avy eo 25 ny faritany 6 eto Madagasikara tamin' ny taona 2004, ary ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 dia mitazona ireto ambaratonga ireto:
- Faritanin' Antananarivo
- Faritra Itasy (3)
- Faritra Analamanga (4)
- Faritra Vakinankaratra (5)
- Faritra Bongolava (6)
- Faritanin' i Fianarantsoa
- Faritra Amoron' i Mania (14)
- Faritra Matsiatra Ambony (15)
- Faritra Vatovavy-Fitovinany (16), izay nizara ho faritra roa: Vatovavy sy Fitovinany, taty aoriana;
- Faritra Atsimo-Atsinanana (17)
- Faritra Ihorombe (18)
- Faritanin' i Mahajanga
- Faritra Sofia (7)
- Faritra Boeny (8)
- Faritra Betsiboka (9)
- Faritra Melaky (10)
- Faritanin' i Toamasina
- Faritra Alaotra-Mangoro (11)
- Faritra Atsinanana (12)
- Faritra Analanjirofo (13)
- Faritanin' i Toliara
- Faritra Menabe (19)
- Faritra Atsimo-Andrefana (20)
- Faritra Androy (21)
- Faritra Anosy (22)
Kaominina
hanovaI Madagasikara dia mizara ho kaominina 1 693, izay samy manana filankevitra monisipaly na kaominaly sy ben' ny tanàna voafidy hiasa mandritra ny efa-taona misesy ary birao mpanatanteraka. Manana sata manokana anefa Antananarivo renivohitra noho ny hamaroan' ny mponina ao aminy sy ny boriborintany 6 ao aminy izay nisy mponina miisa 1 620 000 eo ho eo tamin' ny taona 2015.
Jereo koa
hanovaRohy ivelany
hanovaLahatsoratra samihafa
- "Communes et régions à Madagascar, De nouveaux acteurs dans la gestion locale de l'environnement", cairn.info
- "Lois annotées sur la décentralisation", fes.de
- "Maroantsetra – Mananara : La création de la 24ème région adoptée en Conseil des ministres Archived Jiona 14, 2023 at the Wayback Machine", midi-madagasikara.mg
- "Gouverneur de région : du provisoire permanent Archived Jiona 30, 2023 at the Wayback Machine", madagascar-tribune.com
Didy aman-dalàna
- "Loi n°2004-001 relative aux Régions" (pdf), faolex.fao.org
- "Loi n°2014-020 du 27 septembre 2014 Relative aux ressources des Collectivités territoriales décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes Archived Desambra 11, 2022 at the Wayback Machine.", ceni-madagascar.mg
- "Loi organique n° 2014-018 du 12 septembre 2014 régissant les compétences, les modalités d’organisation et de fonctionnement des Collectivités territoriales décentralisées, ainsi que celles de la gestion de leurs propres affaires Archived Jiona 30, 2023 at the Wayback Machine.", dgfag.mg
- "Loi n°2014-021 relative à la représentation de l’Etat" (pdf), droit-afrique.com
- "Loi n°2015-002 complétant l’annexe n°01 de la loi n° 2014-020 du 27 septembre 2014 relative aux ressources des Collectivités territoriales décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes Archived Novambra 11, 2021 at the Wayback Machine.", ceni-madagascar.mg
- "Loi n° 2021-012 modifiant l’annexe n° 01 de la Loi n° 2014-020 du 27 septembre 2014, modifiée et complétée par la Loi n° 2018-011 du 11 juillet 2018, relative aux ressources des Collectivités Territoriales Décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes" (pdf), assemblee-nationale.mg