Faritra Bongolava
Ny Faritra Bongolava dia anisan' ireo faritra 23 mandrafitra ny firenena malagasy. Ao anatin' ny faritanin' Antananarivo teo aloha no misy azy. Distrika roa no mandrafitra ny Faritra Bongolava, dia ny Distrikan' i Tsiroanomandidy (renivohitry ny faritra) sy ny Distrikan' i Fenoarivobe. Ny Faritra Betsiboka, Melaky, Menabe, Vakinankaratra, Itasy ary Analamanga no mamaritra azy.

Pôlitika Hanova
Tamin' ny Repoblika voalohany dia tao anatin' ny Fileovan' Itasy no nisy ny faritr' i Bongolava. Rehefa niova ny rafitry ny fitsinjaram-pahefana, tamin' ny Repobika faharoa, dia isan' ireo fivondronana 19 mandrafitra ny Faritanin' Antananarivo, ireo distrika roa, Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe. Ankehitriny, tamin' ny fametrahana ireo faritra 23 eto Madagasikara, dia natsangana ho faritra i Bongolava ka i Tsiroanomandidy no renivohitr' izany. Ny lehiben' ny faritra dia i Jean Claude Rabarijaona.
Toekarena Hanova
Ny faritra Bongolava dia isan' ny faritra mivelona amin' ny fambolena sy fiompiana. Isan' ny mpamatsy ny renivohitr' i Madagasikara izy eo amin' ny lafiny vary, katsaka. Raha ny fiompiana kosa no asian-teny, dia ny fiompiana omby no mampalaza azy indrindra. Ao Tsiroanomandidy rahateo no misy ny tsenan' omby lehibe indrindra eto Madagasikara. Saika miondrana ao Antananarivo avokoa moa ireo omby ireo.
Mponina Hanova
Faritra azo sokajiana ho faritry ny mpifindra monina iny tapany andrefana amin' ny faritanin' Antanaanrivo teo aloha iny. Tsy mahagaga raha hita ao Tsiroanomandidy avokoa ireo foko 18 misy eto Madagasikara.
Distrika ao amin' ny Faritra Bongolava Hanova
Jereo koa Hanova
Faritany sy faritra eto Madagasikara:
- Faritanin' Antananarivo (Faritra Itasy - Analamanga - Bongolava - Vakinankaratra)
- Faritanin' Antsiranana (Faritra Diana - Sava)
- Faritanin' i Fianarantsoa (Faritra Atsimo-Atsinanana - Amoron' i Mania - Ihorombe - Matsiatra Ambony - Vatovavy - Fitovinany)
- Faritanin' i Mahajanga (Faritra Boeny - Betsiboka - Melaky - Sofia)
- Faritanin' i Toamasina (Faritra Alaotra-Mangoro - Analanjirofo - Atsinanana)
- Faritanin' i Toliara (Faritra Atsimo-Andrefana - Anosy - Androy - Menabe)
Rohy ivelany Hanova
Lahatsoratra samihafa
- "Communes et régions à Madagascar, De nouveaux acteurs dans la gestion locale de l'environnement", cairn.info
- "Lois annotées sur la décentralisation", fes.de
- "Maroantsetra – Mananara : La création de la 24ème région adoptée en Conseil des ministres", midi-madagasikara.mg
- "Gouverneur de région : du provisoire permanent", madagascar-tribune.com
Didy aman-dalàna
- "Loi n°2004-001 relative aux Régions" (pdf), faolex.fao.org
- "Loi n°2014-020 du 27 septembre 2014 Relative aux ressources des Collectivités territoriales décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes.", ceni-madagascar.mg
- "Loi organique n° 2014-018 du 12 septembre 2014 régissant les compétences, les modalités d’organisation et de fonctionnement des Collectivités territoriales décentralisées, ainsi que celles de la gestion de leurs propres affaires.", dgfag.mg
- "Loi n°2014-021 relative à la représentation de l’Etat" (pdf), droit-afrique.com
- "Loi n°2015-002 complétant l’annexe n°01 de la loi n° 2014-020 du 27 septembre 2014 relative aux ressources des Collectivités territoriales décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes.", ceni-madagascar.mg
- "Loi n° 2021-012 modifiant l’annexe n° 01 de la Loi n° 2014-020 du 27 septembre 2014, modifiée et complétée par la Loi n° 2018-011 du 11 juillet 2018, relative aux ressources des Collectivités Territoriales Décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes" (pdf), assemblee-nationale.mg
- Region du Bongolava Archived Septambra 25, 2008 at the Wayback Machine