Antsirabe
19°51′57″S 47°02′00″E / 19.865860°S 47.033330°E
Antsirabe dia tanana fahatelo lehibe ao Madagasikara raha ny isan'ny mponina no jerena.
Jeografia Hanova
Eo amin'ny afovoan'ny nosy no misy azy, 168 km atsimon'Antananarivo manaraka ny lalam-pirenena faha-7. Renivohitry ny faritr'i Vakinankaratra izy. Araka ny fanisana natao ny Janoary 2005 dia manodidina ny 182 804 ireo mponina ao[1].
Amin'ny haavo (altitude) 1 500 metatra Antsirabe ka voahodidina "volcan" izy. Antsirabe no tanàna mangatsiaka indrindra ao Madagasikara ka tonga hatrany amin'ny 0°C rehefa ririnina.
Manana seranam-piaramanidina Antsirabe.
Tantara Hanova
Antsirabe dia midika hoe "ilay feno sira".Io anarana io dia avy amin'ny nahitana ilay rano misy sira. Ilay tanàna dia namboarin'ilay misionera norvezianina tamin'ny faran'ny taonjato faha-19, izay, angamba nahita ilay fahagagana izay tsy takatrin' ny saina, izany hoe, ilay rano tany Antsirabe dia anisan'ny rano mahery eran-tany. Taloha, ny mpanjana-tany vazaha dia nanitatra ilay hevitra hatramin'ny farany
Indostria Hanova
Antsirabe no faritra be orinasa indrindra, ary azo lazaina fa renivohitry ny indostria malagasy.
- TIKO (Tena Izy Ka Omeko) : orinasa mpanodina sakafo
- COTONA : orinasa mpanodina hasy hanamboarana lamba
- LMM Farine : orinasa mpanodina varimbazaha ho lafarinina
- STAR : orinasa mpanamboatra ny labiera THB, sy karazana zava-pisotro isan-karazany
- SOCOLAIT : orinasa mpanodina ronono (Nestle taloha)
- MELIA / SACIMEM : orinasa mpamokatra sigara
Fizahan-tany Hanova
Inona no zavatra tena anenenan'ny olona raha tsy nataony rehefa nandalo an'Antsirabe :
- ny nandeha posy
- ny nisotro rano visy
- ny nitsidika an'Andraikiba sy Tritriva
Tanàna madio rivotra Antsirabe, tsy dia ahitana fitohanan'ny fifamoivoizana izany. Betsaka ny posiposy, ary anisan'ny fitaovam-pitaterana tsara dia tsara ao amin'io tanàna io koa ny bisikileta. Tsy dia lehibe loatra koa ny tanàna, ka azo atao tsara ny mitety azy amin'ny bisikileta. Misy tsangambaton'ny fahaleovan-tena mijoalajoala eo afovoan'ny tanàna.
Noho izany dia anisan'ny mandroso tokoa ny fizahan-tany amin'io faritra io. Maro ny trano fandraisam-bahiny izay niorina tao ka an'isan'izany ireo lehibe :
- Hotel Diamant
- Hotel des Thermes
- Arotel
- Aida Hotel
Tanàna rahavavy Hanova
- Stavanger any Endrika:Norvezy
- Montluçon any Frantsa
- Levallois-Perret any Frantsa[2]
- Vacoas-Phoenix any Maorisy
Jereo koa Hanova
Renivohi-paritany eto Madagasikara
- Antananarivo - Antsiranana - Fianarantsoa - Mahajanga - Toamasina - Toliara
Renivohi-paritra eto Madagasikara
- Ambatondrazaka - Ambositra - Ambovombe - Antananarivo - Antsirabe - Antsiranana - Antsohihy - Farafangana - Fenoarivo Atsinanana - Fianarantsoa - Ihosy - Maevatanana - Mahajanga - Maintirano - Manakara - Mananjary - Miarinarivo - Morondava - Sambava - Toamasina - Tôlanaro - Toliara - Tsiroanomandidy
Loharano Hanova
- ↑ Antsirabe. Большая Российская энциклопедия..
- ↑ Atlas français de la coopération décentralisée et des autres actions extérieures sur Ministère des affaires étrangères. Novangiana tamin'ny 12 janvier 2010