Vondrom-paritra eto Madagasikara

Ny vondrom-paritra eto Madagasikara dia fizaràn' ny tanim-pirenena malagasy izay, araka ny lalàna, manana ny rafitra mifehy azy sy ny fizakan-tenany ara-pitantanana sy ara-bola ho fampiharana ny ny fitsinjaram-pahefana, ka ireto avy izy ireo: ny kaominina sy ny faritra ary ny faritany. Ny isa, ny fari-piadidiana, ny anarana ary ny renivohitra amin' ireo vondrom-paritra samihafa ireo dia faritan' ny Lalàna 94-001 tamin' ny 26 Avrily 1995.

Ny kaominina hanova

Ny kaominina no vondrom-paritra fototra natsangana tamin' ny fiandohan' ny Repoblika Fahatelo araka ny Lalàmpanorenana tamin' ny 18 Septambra 1992 izay mbola nohamafisin' ny Lalàmpanorenana tamin' ny taona 2010. Ny mandrafitra io ambaratonga io dia ny filankevitra monisipaly ho an' ny kaominina an-drenivohitra na ny filankevitra kaominaly ho an' ny kaominina ambanivohitra, ary ny birao mpanatanteraka. Tamin' ny taona 2015 dia niisa 1 693 ny kaominina eto Madagasikara, izay voasokajy ho ambonivohitra sy ambanivohitra.

Ny faritra hanova

Vondrom-paritra lehibe noho ny kaominina sy kely noho ny faritany sady fari-piadidiana ara-pitantanan-draharaham-panjakana ny faritra. Miisa telo amby roapolo (raha roa amby roapolo izany tamin' ny fiantombohany) ny faritra eto Madagasikara. Ny lalàna faha-2014-020 tamin' ny taona 2014 dia nilazalaza amin' ny antsipiriany ny amin' ny vondrom-paritra misy eto Madagasikara.

Ireo no lasa fizaràna voalohany ny tanim-pirenena malagasy tamin' ny fanafoanana ny fizakan-tenan' ny faritany enina tamin' ny volana Ôktôbra 2009 ary ny namoronana ny faritra eto Madagasikara tamin' ny alalan' ny lalàna faha-2004-001. Tamin' ny fanovana ny lalàmpanorenana tamin' ny taona 2010 dia lasa fizaràna ao amin' ny faritany, izay naverina ho vondrom-paritra, indray ny faritra. Araka ny lalàmpanorenan' i Madagasikara tamin' ny taona 2010 dia anisan' ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana sady faritra ara-pitantanan-draharaham-panjakana ao amin' ny sehatry ny fanapariaham-pahefana ny faritra.

Araka ny voalazan' ny lalàmpanorenana malagasy sy ny lalàna fehizoro momba ny vondrom-paritra na ny faritra manokana eto Madagasikara dia misy fahefana roa ny ao amin' ny fitantanana ny faritra, dia ny filankevitry ny faritra sy ny birao mpanatanteraka. Ny filankevitra ao amin' ny faritra dia tokony hahitana mpanolotsaina voafidy izay tarihin' ny filoha nofidin' izy ireo, fa ny birao mpanatanteraka kosa dia tarihin' ny lehiben' ny faritra izay olom-boafidy ihany koa sady misolo tena ny Governemanta eo amin' ny faritra iadidiany.

Ankehitriny dia tendren' ny filohan' ny Repoblika mivantana ny lehiben' ny faritra izay atao hoe governora taty aoriana. Tsy voatsangana ny filankevitra izay tokony hisahana ny fanapahan-kevitra sy handany ny tetibola ary hanara-maso ny asan' ny birao mpanatanteraka. Anisan' ny maneho ny tsy fahavononana hampandroso ny fitsinjaram-pahefana izany.

Ny faritany hanova

Fizarànan' ny tenim-pirenena malagasy ara-pitantanan-draharaha sy ara-pôlitika, izay miisa enina ny faritany. Ireto avy izy ireo: Faritanin' Antananarivo, Faritanin' Antsiranana, Faritanin' i Fianarantsoa, Faritanin' i Mahajanga, Faritanin' i Toamasina, ary Faritanin' i Toliara.

Teo aloha dia nanana ny fizakan-tenany ny faritany enina, ka natsoina hoe "faritany mizakatena". Amin' ny lafiny fanapariaham-pahefana dia voatsinjara ho distrika maromaro ny faritany iray. Tsy vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany taorian' ny fanavaozana ny Lalàmpanorenana tamin' ny Avrily 2007 izay nametraka ny faritra.

Ao amin' ny Lalàmpanorenan' i Madagasikara tamin' ny taona 2010 dia anisan' ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana indray ny faritany, saingy tsy misy fanatanterahana izany ka lasa faritany ara-pitantanana ho an' ny sampan-draharaham-panjakana sasany fotsiny izy ireo.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

Lahatsoratra samihafa

Didy aman-dalàna

Lalàmpanorenana

Loharano sy fanamarihana hanova