Faritra Itasy
(tonga teto avy amin'ny Itasy)
Faritra Itasy | ||
Fianarana no lova tsara | ||
Firenena | ![]() | |
Faritany | Antananarivo | |
Renivohi-paritra | Miarinarivo | |
Distrika | 3 | |
Lehiben'ny faritra | ---- | |
Fianarana no lova tsara | ||
Velarantany | 6 993 km2 | |
Isam-ponina | 643 000 mpo. | |
Hakitroky ny mponina | 91,95 mpo/km2 | |
Fianarana no lova tsara | ||
Laharam-pehintany | 19° 00′ 00″ Atsimo | |
Laharan-jarahasina | 46° 46′ 00″ Atsinanana | |
Ny Faritra Itasy dia faritra ao amin'ny faritanin'Antananarivo eo anivon'i Madagasikara. Mizara sisin-tany amin'ny faritra Analamanga isy any avaratra atsinanana, amin'ny Vakinankaratra any atsimo ary amin'ny Bongolava any avaratra andrefana. Ny renivohi-paritra dia Miarinarivo, ary ny isam-ponina dia misy any amin'ny 643 000 any ho any tamin'ny 2004, isy no faritany kely indrindra any Madagasikara miaraka amin'ny velerantany 6 993 km2, ary izy no be hakitroky ny mponina indrindraeo aorian'ny faritra Analamanga.
Voazara distrika telo izy :
Ny anaran'ny faritra Itasy dia anaram-parihy, farihy faha telo an'i Madagasikara. Ny faritra dia malaza amin'ny toetra maro :
- Ny farihy itasy : Misy mpanjono telo arivo mahery no miaina eo amorom-parihy, lakana zato no lasa manjono eny am-parihy isan-andro.
- Ny tsangam-baton'i Maria Virjiny, eo amin'ny sisim-parihy, manamarika ny anivon'i Madagasikara.
- Ny nosin' Itasy.
- Rihandrano Lily. Ny riandrano voalohan'i Madagasikara, manana haabo 16m sy halalaka 35m. Ny faharoa dia manan-kaabo 22 metatra, fa tsy mitovy halalaka.# Analavory Chute. Over 20m high.
- Farihy madinika roapolo
- Ny fantsitsitr' (geyser) Analavory, mivoaka rano mangatsiaka mety mahatratra telo metatra.
- 120 kilometatry ny ranivohi-pirenena ny farihy.
Jereo koaHanova
Faritany eto MadagasikaraHanova
TsiahyHanova
|