Vondrom-poko aty Afrika
Ny vondrom-poko ao Afrika dia miisy eo anelanelan' ny 2 000 sy 3 000, izay ary samy manana ny fiteniny (na fitenim-paritra) sy ny kolontsainy amin' ny ankapobeny, ary mivoatra izany isa izany amin' izao fotoana izao. Koa satria fiarahamonina velona izy ireo, dia mampiady hevitra sy mivoatra ny fanavahana sy ny fizaràna; tsy misy noho izany ny fanehoana tokana momba ny vahoaka aty Afrika. Ny vondrom-poko ara-piteny dia ahitana ny Afrôasiatika, ny Kôisàna, ny Nizerô-kôngôley ary ny Nilô-sahariana.
Ny hevitra ankapobeny momba ny foko dia mampiady hevitra ao anatin' ny antrôpôlôjia ankehitriny. Indrindra, tsy misy fifanarahana momba ny fepetra hamaritana ny vondrona tsirairay (fiteny, kolontsaina, fizaràn-tany, fahatsapana ho anisan' ny foko na vondrom-poko iray, sns.).
Tsy azo antoka loatra ny fanisana ôfisialin' ny olona ao amin' ny foko isan-karazany aty Afrika, na noho ny tsy fahampian' ny fotodrafitrasa hanaovana fanisam-bahoaka na noho ny fitomboan' ny mponina haingana. Misy vondrona sasany milaza fa misy minia manao tatitra diso mba hanaovana ny foko voafantina sasany ho maro anisa (tahaka ny Haosa, ny Folany, ny Iôroba, ary ny Igbô any Nizerià).
Ny fanadihadiana momba ny famondronana ara-pototarazo natao tamin' ny taona 2009 tamin' ny vahoaka afrikana isan-karazany, dia nahita vondrona ara-drazambe enina. Mifanaraka akaiky amin' ny fiaviana ara-poko, amin' ny kolontsaina ary amin' ny fiteny ilay famondronana. Ny fanadihadiana momba ny fototarazon' ny mponina maneran-tany tamin' ny taona 2018 dia nahatsikaritra vondron' olona mitovy amin' ny mponina aty Afrika. Ny singa ara-drazambe samy hafa dia namaritra vahoaka miteny afrôaziatika monina any Afrika Avaratra sy Afrika Avaratra-Atsinanana; ny vahoaka miteny nilô-sahariana any Afrika Avaratra-Atsinanana sy Afrika Atsinanana; ny vahoaka Aary ao Afrika Avaratra-Atsinanana; ny vahoaka miteny nizerô-kôngôley any Afrika Afovoany-Andrefana, any Afrika Andrefana, any Afrika Atsinanana, ary any Afrika tapany Atsimo; ny vahoaka Pigmea any Afrika Afovoany; ary ny mponina Kôisàna any amn' ny tapany atsimo amin' i Afrika.
Lisitra
hanovaAraka ny fianakaviam-piteny
hanovaAmin' ny ankapobeny, ity tabilao manaraka ity dia mitanisa vondrona lehibe amin' ny firaisana ara-poko sy ara-piteny, miaraka amin' ny tombantombana momba ny isan' ny mponina (tamin' ny taona 2016):
Vondrom-piteny | Faritra | Vondrona lehibe | Mponina (tapitrisa)
(2016) |
Isan' ny vondrona |
---|---|---|---|---|
Afrô-Aziatika | Afrika Avaratra, Tandrok' i Afrika, Sahel | Amhara, Haosa, Ôrômô, Sômaly, Tigreana | 200 | 200-300 |
Nizerô-Kôngôley | Afrika Andrefana, Afrika Afovoany, Afrika Atsimo, Afrika Atsinanana | Akàna, Fola, Igbô, Kôngô, Mande, Môôre, Sôna, Iôroba, Zolo | 900 | 1650 |
Nilô-Sahariana | Lohasahan' i Nily, Sahel, Afrika Atsinanana | Dinka, Kanory, Loô, Masay, Noera, Sôngay | 60 | 80 |
Kôisana | Afrika Atsimo, Tanzania | Nama, Sana, Sandaoe | 1 | 40-70 |
Aostrôneziana | Madagasikara | Malagasy | 20 | 1 |
Indô-Eorôpeana | Afrika Afovoany, Afrika Atsinanana, Africa Avaratra, Afrika Atsimo, Afrika Andrefana | Afrikanera, Britanika, Frantsay | 6 | 3 |
Totaly | Afrika | 1,2 lavitrisa (UN 2016) | Manodidina ny 2 000 |
Ny vondrom-poko ara-piteny lehibe
hanovaIty manaraka ity dia tabilao misy vondrom-poko lehibe (misy olona 10 tapitrisa na mihoatra):