Fiteny nilôtika
Ny fiteny nilôtika dia vondrom-piteny ao amin' ny sapam-piteny sodanika atsinanana an' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana, , izay tenenin' ny vahoaka nilôtika. Mitsinjara amin' ny faritra midadasika hatrany Sodàna Atsimo, any Kenia, any Oganda ka hatrany Tanzania ireo fiteny ireo.

Faritra misy ny mpiteny nilôtika
hanovaAhitana mpiteny nilôtika koa ny any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ny any Etiôpia, ny any Kenia, ny any Sodàna, ny any Sodàna Atsimo, ny any Tanzania ary ny any Oganda.
Fisampanany
hanovaAraka ny fanasokajiana nataon' ilay mpahay fiteny Joseph Greenberg dia mizara ho sampana telo ny fiteny nilôtika:
- Fiteny nilôtika atsinanana (fiteny turkana sy maasai, ohatra);
- Fiteny nilôtika atsimo (fiteny kalenjin sy datooga, ohatra);
- Fiteny nilôtika andrefana (fiteny luo sy nuer ary dinka, ohatra).