Afrika Afovoany-Andrefana

I Afrika Afovoany-Andrefana dia faritra ara-jeôgrafia mahafaoka an' i Maoritania any avaratra-andrefana ka hatrany amin' ny Repoblikan' i Kôngô any atsimo ary i Tsady any avaratra-atsinanana, izay misy firenena roapolo mahery. Misy mponina eo amin' ny 350 tapitrisa eo ho eo io fafitra io. Ireto avy ny firenena ao aminy: Benîno, Borkina Fasô, Gabôna, Gambia, Ganà, Ginea, Ginea-Bisao, Kamerona, Kôtidivoara, Liberià, Maly, Maoritania, Nizera, Nizerià, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, Repoblikan' i Kôngô, Repoblikan' i Afrika Afovoany, Senegaly, Siera Leôna, Tôgô ary Tsady.