Fianakaviam-piteny nilô-sahariana

Ny fiteny nilô-sahariana dia fianakaviam-piteny ao Afrika atsimon' i Sahara, ao amin' ny faritr' i Nily Ambony sy ny an' i Sahara-Ambony izay mahafaoka an' i Nobia. Araka ny fanombanana tanaon' i Lionel M. Bender tamin' ny taona 2004 dia misy fiteny miisa 200 any ho any ao amin' io fianakaviam-piteny io izay tenenin' ny olona miisa 31 000 000 any ho any ao amin' ny Fanjakana (firenena) miisa 18.

Fiteny ao Afrika: ny erana mavo no maneho ny faritra misy ny mpiteny nilô-sahariana

Io fianakaviam-piteny io dia ahitana fiteny isan-karazany, izay tsy ranoray mihoatra lavitra ny an' ny fianakaviam-piteny akaiky azy, dia ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley, ka iandian-kevitra ny maha fianakaviam-piteny iray ny fiteny ao aminy. Vitsy ny mpahay fiteny manao fikarohana amin' ilay fianakaviam-piteny manontolo ary misy ireo izay mitsipaka io fanasokajiana io. Ny tena iandian-kevitra dia ny fampidirana ny sampam-piteny sôngay amin' ity fianakaviam-piteny ity. Na dia mifanaraka aza ny ankamaroan' ny mpahay fiteny amin' ny maha mitombina ny fisian' io fianakaviam-piteny io dia hita fa ny firafetany anaty dia mbola iadian-kevitra.

Faritra itenenana ny fiteny nilô-sahariana hanova

Ny fiteny nilô-sahariana dia tenenina ao amin' ny faritra tsy mitohy avy any amin' ny fivarinan' ny ony Niger ao Afrika Andrefana hatrany Etiôpia, mandalo ny lohasaha ambonin' ny renirano Nily ary mandalo amin' ny faritra sasany ao atsimon' i Oganda sy Kenia. Tenenina ao avaratr' i Tsady sy Sodàna ary ao avaratry ny Repoblikan' i Kôngô koa ireo fiteny ireo.

Ireto ny tena be mpiteny amin' ny fiteny nilô-sahariana:

  • ny sampam-piteny sôngay, tenenin' ny mponina amin' ny faritra manamorona ny tapany ambonin' ny ony Niger ao Maly sy ao Nizera;
  • ny fiteny kanory, tenenin' ny olona miisa 1 500 000 any ho any, manodidina ny farihy Tsady;
  • ireo fiteny ao amin' ny sampana nobiana, tenenin' ny olona miisa 1 000 000 any ho any, manamorona ny ony Nily, manakainy ny sisin-tanin' i Ejipta, miparitaka amin' ny "nosim-piteny" maro, ny lehibe amin' ireo fiteny ireo dia ny fiteny dinka, ny fiteny noera, ny fiteny siloka ary ny ny fiteny diora;
  • ireo vondrona madinidinika toy ny sampam-piteny mabàna sy sampam-piteny komàna, izay tenenina any Tsady sy any amin' ny sisin-tany manasaraka an' i Etiôpia sy i Sodàna;
  • ao koa ny fiteny fora izay fiteny manirery.

Jereo koa hanova

Fianakaviam-piteny ao Afrika

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny

Hafa