Sodàna
I Sodàna na Repoblikan'i Sodàna dia firenena ao Afrika Atsinanana. I Khartoum no renivohiny.
Mamaritra azy avy ao avaratra i Ejipta, ao atsinanana i Eritrea, ao atsimo i Kenia sy i Oganda ary ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ary ao andrefana ny Repoblikan' i Afrika Afovoany sy i Tsady ary i Libia. Misokatra amin' ny Ranomasina Mena avy ao avaratra-atsinanana izy sady mamakivaky azy avy any avaratra mankany atsimo ny lohasaha sy ny onin' i Nily. Manana velaran-tany mirefy 1 886 068 km2 i Sodàna.