Ny Aary dia vondrom-poko ômôtika ao Afrika, teratany any amin' ny Lohasahan' i Omo any Etiôpia. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2007 dia misy Aary ara-poko miisa 289 835 ny ao Etiôpia, izay manodidina ny 0,29 % amin' ny fitambaran' ny mponina ao amin' io firenena io. Saika ny Aary rehetra no miteny ny fiteny aary izay anosan' ny fiteny ômôtika, na dia ny antsasany mahery amin' izy ireo aza dia mampiasa amin' ny fiteny maro ary afaka mampiasa fiteny hafa toy ny fiteny amharika ihany koa. Mizara ho zana-poko ity vondrom-poko ity, dia ny Bakô, Kore, Sangamà, Biô, Sidô, Argena, Obamera, Bargedà, Galila ary Gôsà.

Aaary