Frantsa
I Frantsa na ny Repoblika Frantsay dia firenena any Eorôpa Andrefana, mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana. Manana fizaran-tany ampitan-dranomasina maromaro i Frantsa, ny ngeza indrindra amin' izy ireo dia i Guyane française. Atao hoe France na République Française izy amin' ny teny frantsay. I Paris renivohiny dia anisan' ny be mpitsidika indrindra eto an-tany, 45 tapitrisa ny isan' ny mpitsidika mandeha any isan-taona. Manam-belarana mirefy 675 417 km2 i Frantsa raha heverina koa ny velaran' ny zanataniny. Miisa 65,1 tapitrisa ny mponina ao aminy tamin' ny 1 Janoary 2009[7].
République française ((fr)) | |||||
Repoblika frantsay ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Liberté, Égalité, Fraternité | |||||
Teny ofisialy | frantsay | ||||
Renivohitra | Paris 48°52′N 2°19.59′E / 48.867°N 2.32650°E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Paris | ||||
Fitondrana sy governemanta - filoha - Praiministra |
Repoblika Emmanuel Macron Jean Castex | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 41[1] 675 417[2] km² 0,26% | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (Janoary) - hakitroka |
faha 21 65 073 482[3] mpo. 96,3[4] mpo./km² | ||||
Anaran'ny mponina | Frantsay | ||||
IDH (2006) | ▲ 0,955 (ambony be) faha 11 | ||||
Sandam-bola | Euro sy Franc CFP[5],[6] (EUR )
| ||||
Faritr'ora | UTC +1 (CET) ; | ||||
Hiram-pirenena | 'La Marseillaise' | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+33
|
Ny fiteny frantsay no tenim-pirenen' i Frantsa. Miisa dimy ambin' ny fitopolo ny fiteny hafa ampiasaina any Frantsa raha isaina ny fiteny ampiasain' ny mponina vahiny[8]. Any Frantsa no be mpiteny frantsay indrindra ao aorian' i Repoblika Demokratikan' i Kôngô.
Ny katôlisisma no fivavahana be mpanaraka any Frantsa, 51 % hatramin' ny 64 % amin' ny Frantsay no vita batemy. Milaza ho agnôstika kosa ny 32 % amin' ny Frantsay[9].
Ny endriky ny toekarenan' i Frantsa dia kapitalista, nefa betsaka ihany ny orinasa tantanan' ny firenena taorian' ny Ady Lehibe Faharoa, mba hamerina ny herin' ny toekareny. Tamin' ny taona 1980 kosa dia nisy fanavaozana be dia be natao mba hivarotana ny orinasam-panjakana amin' ny tsy miankina. Tamin' ny taona 2008 dia i Frantsa no firenena matanjaka fahadimy eo an-tany, eo aorian' i Etazonia sy i Japana sy i Sina ary i Alemaina.
Tantara
hanovaFiavin' ilay anarana hoe Frantsa
hanovaNy anarana hoe Frantsa dia fanagasiana avy amin' ny teny frantsay hoe France izay avy amin' ny teny latina hoe Francia. Tamin' ny voalohany dia natao hoe Francia ny faritta avaratra any Eorôpa misy mponina jermanika mitondra anarana hoe Franka. Fizaran-tany latina tamin' ny taonjato faha-3 i Francia, avy amin' ny teny franka hoe franko(n) izy io; io anarana io dia anaran' i Flandre Belzianina ankehitriny.
Jeôgrafia
hanovaSisin-tany
hanovaNy tanim-pirenena frantsay any Eorôpa dia voafaritry ny Ranomasimbe Atlantika any andrefana, voafaritry Ranomasina Manche (ranomasina manasaraka azy amin' ny Angletera) sy ny Ranomasina Avaratra any avaratra, voafaritr' i Belzika, i Luxembourg, i Alemaina, i Soisa sy i Italia any atsinanana, ary ny Ranomasina Mediteranea, i Andôra, Mônakô sy Espaina any atsimo.
Ny tany frantsay any amin' ny kôntinanta dimy hafa dia voafaritr' i Brezily sy Sorinama any amin' i Guyane Française, voafaritr' i Kanada any Saint-Pierre sy Miquelon ary voafaritry ny Fanjakan' i Nederlandy any amin' ny Nosy Saint Martin, voafaritry ny ranomasina koa ny tany frantsay: ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika ny nosy Pôlinezia, any amin' ny Ranomasimbe Indianina i Mayotte sy i La Réunion, any amin' ny Ranomasina Karaiba i Guadeloupe sy i Martinique sy ny Nosy Saint Martin ary ny Nosy Saint Barthelemy.
Any amin' ny ilany andrefan' i Eorôpa no misy ny tanin' i Frantsa metrôpôlitana. Manana (zana)tany koa i Frantsa any ivelan' i Eorôpa: any Amerika Avaratra, any Antilia, any Amerika Atsimo, any Afrika (Ranomasimbe Indianina) any avaratra sy any atsimon' ny Ranomasimbe Pasifika sy any Antarktika. 2 970 km ny halavan' ny sisin-taniny amin' ny firenena valo any Eorôpa: amin' i Espaina (650 km), amin' i Beljika (620 km), amin' i Soisa (572 km), amin' i Italia (515 km), amin' i Alemaina (450 km), amin' i Luxembourg (73 km), amin' i Andora (57 km) ary amin' i Mônakô (4,5 km). Any Amerika Atsimo dia mizara sisin-tany amin' i Brezily (720 km) sy amin' i Sorinama (520 km) i Guyane Française. Misy sisin-tany manana halavana 10,2 km (tsy tena hita maso) eo amin' ny nosy Saint Martin manasaraka ny tanin' ny Repoblika Frantsay sy ny tanin' ny Fanjakanan' i Hôlandy. Farany, ny Tany Adelia (ao amin' ny TAAF), lazain' i Frantsa fa azy, dia tany be ao amin' ny Ranomasimbe Antarktika lazain' i Aostralia fa azy.
I Fantsa dia manana velarana 543 965 km2 (655 688 km2 miaraka amin' ny zanatany), mivelatra 1 000 km i Frantsa amin' ny teza avaratra-atsimo sy amin' ny teza atsinanana-andrefana. Izy no firenena ngeza indrindra ao aorian' i Rosia sy i Okraina; ary izy no firenena ngeza indrindra ao amin' ny Vondrona Eorôpeana. Ny halavan' ny morontsirany dia miirefy 3 427 km (raha tsy isaina ny morontsirak' i Kôrsa izaymahatratra 000 km).
Mponina
hanovaIsan' ny mponina
hanovaMiisa 65 073 482 ny olona monina any Frantsa tamin' ny 1 Janoary 2009[10]. 62 448 977 no miaina any amin' ny metrôpôly. Misy fanisam-bahoaka atao isan-taona tamin' ny taona 1801 hatramin' izao, fa tamin' ny fanombohan' ny taona 2004 dia atao lalandava ny fanisam-bahoaka.
Anisan' ny ambony indrindra any Eorôpa ny fitombon' ny mponina any Frantsa, ambony noho ny salanisa eorôpeanina ny isan' ny teraka any Frantsa (830 900 ny teraka ary 531 200 ny maty), ary miakatra elanelan' isan' ny mpifindra monina miditra amin' ny mpifindra monina mivoaka (olona 100 000), noho izany dia niakatra 0,61 % ny isan' ny mponina any Frantsa.
Fahasalamana
hanovaKolontsaina
hanovaFiteny
hanovaNy fiteny frantsay izay fehezin' ny Akademia Frantsay no be mpiteny indrindra any Frantsa, ary "fitenin' ny Repoblika" hatry ny lalàm-panorenan' ny 25 Jiona 1992 izany[11]. I Frantsa no firenena miteny frantsay faharoa lehibe indrindra aorian' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô[12], fa voalohany amin' ny isan' ny mpiteny. Firenena ao amin' ny Frankôfônia i Frantsa.
Ankoatry ny fiteny frantsay izay ôfisialy dia fiteny miisa 75 no ampiasaina any Frantsa, miaraka amin' ny fiteny manokana hafa isam-paritra, ny fiteny nentin' ny mponina vahiny mpifindra monina ary ny fiteny any amin' ny DOM-TOM, araka ny tatitry ny mpahay fiteny Bernard Cerquiglini[13].
Jereo koa
hanova- Firenena ao Eorôpa
- Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
- Kôntinenta eto an-tany
Rohy Ivelany
hanova- Tanonkala ny elysée Archived Martsa 10, 2005 at the Wayback Machine
- Tanonkala ny praiministra sy ny governemanta Archived Jiona 15, 2006 at the Wayback Machine
- Rakibolana Frantsay-Malagasy Archived Mey 18, 2012 at the Wayback Machine
- Virtuelle Fachbibliothek Romanischer Kulturkreis - Vifarom
- Weather forecast for France