I Letônia na Latvia na Repoblikan' i Letônia na Repoblikan' i Latvia dia firenena ao Eorôpa Avaratra-Atsinanana, manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Baltika. Ny renivohiny dia i Riga. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny.

Sainan' i Letônia
Sarintanin' i Letônia

Mirefy 64 589 km2 ny velaran-taniny ary 2 013 400 ny isan' ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2013. Ny faritr'ora dia +2. Isan' ireo atao hoe Firenena Balta na Fanjakana Baltika ao Eorôpa Avaratra i Letônia (manampy an’ i Estônia sy i Litoania). Mamaritra azy avy ao avaratra ny Helodranon' i Riga, izay sampan' ny Ranomasina Baltika, sy i Estônia, ao atsinanana i Rosia, ao atsimo i Bielôrosia sy i Litoania, ary ao andrefana ny Ranomasina Baltika.

Sarin-tanin' i Letônia

I Letônia dia firenena be tany lemaka. Rakotra ala ny 25 %n’ ny velaran-taniny.

Mahatratra iray ampahatelon’ ny mponina ao Letônia ny Rosiana. Ny fiteny letôna sy ny fiteny rosiana no fiteny be mpampiasa ao Letônia, ka ny fiteny letôna no fiteny ôfisialy ao.

Ny Liva na Livôniana no razamben’ ny Letôna: tao amin’ ny faritra misy an’ i Letônia ankehitriny no nisehoan’ izy ireo voalohany tamin’ ny taonjato faha-9. Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-13 dia niaritra ny fanjakazakana mifadimby nataon’ ny tafika sy ny fitondràm-pivavahana jermanika sy ny Pôlôney ary ny Soedoà izy ireo. Tamin’ ny taona 1795 i Letônia dia teo ambany fifehezan’ i Rosia. Nanambara ny fahaleovan-tenany izy tamin’ ny taona 1918, nefa tsy nifarana ny fahefan’ ny Sôvietika taminy raha tsy tamin’ ny taona 1991, satria anisan' ireo repoblika sôsialista sôvietika taloha izy, izay tsy nahazo ny fahaleovan-tenany avy tamin' ny Firaisana Sôvietika tamin' io taona io. Niditra tao amin’ ny Vondrona Eorôpeana izy tamin’ ny taona 2004.

Jereo koa hanova

Firenena ao Eorôpa

Kôntinenta eto an-tany