Repoblika
Ny Repoblika dia endrika governemanta izay azo adika ara-bakiteny hoe "raharaham-bahoaka" (latina: res publica). Ny famaritana ny repoblika ankehitriny dia governemanta tsy manana mpanjaka ho mpitondra ny firenena. Ny repoblika dia tokony tsy afangaro amin' ny demôkrasia, ny repoblika dia ny fitondran' ny lalàna nefa ny demôkrasia dia midika ny fitondran' ny daholobe. Io dika faran' ny demôkrasia io dia avy ain' ny teny grika Demokratía izay ahitana ny hoe Demos (mponina) sy ny hoe Kratos (fanjakana).
Ny repoblika amin' ny siansa ara-pôlitikaHanova
Misy zavatra tsy ampy anatin'ity fizaràna ity. Ilaina mandray anjara ianao !
Amin' ny teôria sy amin' ny siansa ara-pôlitika, ny teny repoblika dia mety ilazana endri-panjakana maro.
Ny fototry ny repoblikaHanova
Misy zavatra tsy ampy anatin'ity fizaràna ity. Ilaina mandray anjara ianao !
Araka an' i Aristôty, ny fototry ny repoblika dia:
- Ny fizaràna ny fahefana (fahefana mpanao lalàna sy fahefana mpitsara ary fahefana mpanatanteraka) sy ny famehezana azy ireo;
- Ny fandraisana anjara ara-pôlitika mavitrika avy amin' ny olom-pirenena (izay ilana fampianarana ny siansan-dalàna sy siansa ara-pôlitika);
- Ny fahafahana ary ny fitovizana eo anatrehan' ny lalàna.