Ny filôzôfia dia fandalinana mikendry ny hahatakatra ny momba izao tontolo izao sy ny fiainana, amin' ny alalan' ny fandinihana voasaina sy mitsikera. Fikarohana ny fahamarinana izay tarihin' ny fanontaniana momba izao tontolo izao sy momba ny fahalalana ary momba ny fisian' ny olombelona izany. Fandinihana ny fototr' olana – toy ny antom-pisian' ny tena, ny fahalalana, ny soatoavina, ny fahendrena, ny fisainana ary ny fiteny – ny filôzôfia.

Ilay mpandinika, sary vongana nataon' i Auguste Rodin dia tandindon' ny fandinihaha ara-pilôzôfia

Avy amin' ny teny grika hoe φιλοσοφία / philosophia, izay midika hoe "fitiavam-pahendrena", ny teny hoe filôzôfia. Avy amin' ny fikambanan' ny teny roa φιλέω / philéô, "mitia" na "tia" sy σοφία / sophía "fahendrena" na "fahaizana", ny hoe φιλοσοφία / philosophía.

Efa nisy hatramin4 ny Andro Taloha tany amin' ny Tontolo Tandrefana sy Tatsinanana ny filôzôfia, tsy amin' ny maha asa voasaina azy fotsiny fa amin' ny maha fomba fiaina azy. Ahafahana mahatakatra ny fivoarany ny tantaran' ny filôzôfia.

Hatramin' ny niandohany dia nifototra tamin' ny adihevitra momba ny fiheveran' ny besinimaro, mandritra ny fifanakalozan-kevitra eo amin' ny mpampianatra sy ny mpianany tao amin' ny sekoly filôzôfika samihafa ny filôzôfia izay azo raisina ho toy ny asa famoronana, fisaintsainana, famaritana ary famakafakana hevitra toy ny hoe tsara, ratsy, hakanto, ary rariny. Azo raisina ho fitadiavana fahamarinana, fahafahana, varany ary fahatsiarovan-tena, sy fikatsahana fahasambarana ny filôzôfia. Raha jerena araka ny teôlôjia kristiana izay ampifandraisina aminy, amin' ny fomba fiasany, dia tokony hitodika any amin' ny fandinihana ny fahamarinana sy ny fitadiavana ny tanjona faratampony ary ny varan' ny fiainana ny zava-kendreny.

Amin' i Aristôty dia siansa momba ny vondrona foto-pitsipika voalohany sy ny vondrona anton-javatra voalohany ny fahendrena. Izany no famaritana nianteheran' ny Aristôtelisiana taty aoriana tamin' ny Andro Antenatenany mba hahitana ny "filôzôfia voalohany" (izany hoe ny metafizika ankapobeny).

Amin' ny heviny môderina sy amin' ny filôzôfa amin' izao fotoana izao dia tsy fahalalana sady tsy vondrom-pahalalana ny filôzôfia, fa dingam-pirosoana andinihana ny fahalalana ananana.

Afaka mahafaoka andiana taranja, toy ny siansan' ny mahaolona sy ny fiarahamonina, ny siansa arak' endrika ary ny siansan' ny zavaboary, izay mifandray ara-tantara aminy, ny sehatry iasan' ny fandinihana filôzôfika.

Niteraka sehatra fototra anaovana fandalinana ny filôzôfia, ka anisan' izany ny lôjika, ny etika (filôzôfia môraly), ny metafizika, ary ny epistemôlôjia (filôzôfian' ny siansa sy rijan-kevitra momba ny fahalalana). Rehefa nandeha ny fotoana dia nisampana maro ireo sampan' ny filôzôfia ireo: ny filôzôfia pôlitika, ny filôzôfian' ny lalàna, ny estetika (filôzôfian' ny zavakanto), ny ôntôlôjia, ny filôzôfian' ny saina (anglisy: mind), ny antrôpôlôjia filôzôfika, na ny filôzôfian' ny fiteny, sns.

Ny sampan' ny filôzôfia

hanova

Mizara ho sampana efatra lehibe ny filôzôfia, dia ny metafizika, ny lôjika, ny epistemôlôjia ary ny etika.

Ny metafizika

hanova

Fandinihana sy fandalinana ny fiavian' ny zava-misy, miaraka amin' ny fifandraisana eo anivon' ny saina sy ny vatana ary ny zava-mitranga, ny metafizika. Fanontaniana mahazatra ao amin' ny metafizika ny hoe: Inona ny fisiana ? Misy ve Andriamanitra? Inona moa ny fotoana sy ny habaka ary ny fisian' ny anton-javatra? Anisan' ny zana-tsampan' ny metafizika ny ôntôlôjia (metafizika ankapobeny), ny kôsmôlôjia filôzôfika, ny psikôlôjia voasaina ary ny teôlôjia voasaina (momba an' Andriamanitra), izay tsy ampitovina amin' ny kôsmôlôjia siantifika sy ny psikôlôjia ara-panandramana ary ny teôlôjia vokatry ny fanambaràna ao amin' ny fivavahana).

Ny epistemôlôjia na teôria momba ny fahalalana

hanova

Sampan' ny filôzôfia mandalina ny fahalalana siantifika ny epistemôlôjia, izany hoe mandalina sy mitsikera ny siansa, ny fivoarany, ny lanjany ary ny fampiharana azy. Io no andalinana ny toetra sy ny loharano sy ny fetra ary ny fahamarinan' ny fahalalana. Anisan' ny fanontaniana ao ny hoe: Inona no atao hoe fahalalana? Afaka mahafantatra ny marina ve isika? Inona no maha samy hafa ny mino sy ny mahalala?

Ny lôjika

hanova

Mandalina ny fitsipika mifehy ny fahamarinan' ny fanjohian-kevitra marim-pototra sy ny fanatsoahan-kevitra, ny firafitra araka endiky ny adihevitra ary ny fanaporofoana ny lôjika. Fanontaniana apetraka ao ny hoe: Inona no atao hoe fanjohian-kevitra mirindra? Ahoana no hanavahana ny hevitra marim-pototra sy ny diso (sôfisma)?

Ny etika na filôzôfia môraly

hanova

Sampan' ny filôzôfia mandalina ny fitsarana ara-môraly, mba hametrahana ny fitsipika mifehy sy ny fetran' ny azo atao, ny adidy tokony hefaina, ny soatoavina ary ny tanjon' ny asan' ny olombelona ny etika. Fandinihana ny fomba fitondran-tena eo anivon' ny fiarahamonina sy fandinihana manokana ny tsara tokony hatao sy ny ratsy tsy tokony hatao ny etika na filôzôfia môraly. Fanontaniana ao amin' ity sampan' ny filôzôfia ity ny hoe: Inona no tokony hataoko? Inona no atao hoe fiainana tsara? Misy ve ny soatoavina iombonan' ny olona rehetra?

Ny filôzôfia pôlitika

hanova

Fandinihana ny governemanta sy ny fifandraisan' ny tsirairay (na fifandraisan' ny fianakaviana) amin' ny fikambanana ao amin' ny firenena ny filôzôfia pôlitika. Ao no andalinana ny foto-pitsipiky ny fahefana, ny rariny, ny andrim-piarahamonina ary ny zo. Ao ny fanontaniana mahakasika ny fanamarinana, ny lalàna, ny fananana, ary ny zo sy ny adidin' ny olom-pirenena. Anisan' ny fanontaniana ao koa ny hoe: Inona no atao hoe fanjakana mananja ny rariny? Inona no endri-pitondrana tsara indrindra? Inona no atao hoe fahafahana? Misy fifandraisany ny pôlitika sy ny etika, ary miadihevitra amin' ny hoe inona ny tsara sy ny ratsy ary ahoana no tokony hiainan' ny vahoaka ny foto-panontaniana ao amin' ireo zana-tsampana roa ireo.

Jereo koa

hanova
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.