Ny teisma dia fiheverana filôzôfika na finoana izay ilazana fa misy andriamanitra (na Andriamanitra) izay manan-tsitrapo manokana, tokana ary antom-pisian' izao tontolo izao. Ny teisma dia tsy voatery ho finoana ara-pivavahana. Araka ny fampianarana teista dia Andriamanitra no mifehy mivantana izao tontolo izao. Maro ny endrika isehoan' ny teisma, ka fantatra indrindra amin' izany ny mônôteisma. Raha raisina amin' ny heviny mivelatra ny teny hoe teisma dia mahafaoka ny finoana sy ny filôzôfia rehetra izay mampianatra ny fisian' ny andriamanitra na ny fisian' Andriamanitra ka anisan' izany ny pôliteisma sy ny panteisma ary ny panenteisma sns. Ny deisma dia teisma takarina amin' ny alalan' ny saina fotsiny.

Jereo koa hanova