Ny governemanta, amin' ny ankapobeny, dia andrim-panjakana itambaran' ny manam-pahefana mitondra sy manara-maso ary mandraharaha ny raharaham-panjakana ao amin' ny firenena iray, sady manana ny fahefana mpanatanteraka. Atao hoe minisitra na sekreteram-panjakana ny mpikambana ao amin' ny governemanta.

Avy amin' ny teny grika hoe κυβερνάω / kubernaô, izay midika hoe "mitondra", "mitazona ny familian-tsambo", ny teny hoe governemanta.

Ny governemanta no manapaka sy manatanteraka ny asa aman-tao ilaina amin' ny fitondrana ny firenena. Tompon' andraikitra manoloana ny olom-pirenena izay soloan' ny Antenimiera tena, na manoloana ny filohan' ny Repoblika izy, arakaraka ny karazana fitondram-panjakana misy eo amin' ny firenena.

Amin' ny siansa sôsialy, ny teny hoe governemanta dia fiantsoana izay rafitra mitondra firenena na fikambanana iray. Ny governemanta no mandrindra ny firenena.

Jereo koa

hanova