Filôzôfia pôlitika

Ny filôzôfia pôlitika na ny rijan-kevitra pôlitika dia fandalinana ara-pilôzôfia momba ny governemanta, mandalina lohahevitra momba ny toetra sy ny sehatra ary ny maha ara-dalàna ny mpiasam-panjakana sy ny andrim-panjakana ary ny fifandraisana misy eo amin' izy ireo. Ny lohahevitra ao anatiny dia ny pôlitika, ny fahalalahana, ny rariny, ny fananana, ny zo, ny lalàna, ary ny fampiharan' ny fahefam-panjakana ny lalàna: inona izy ireo? ilaina ve izy ireo? inona no mahatonga ny governemanta ho ara-dalàna? inona ny zo sy fahalalahana tokony harovana? inona no endrika tokony hananany? inona ny atao hoe lalàna? inona no adidin' ny olom-pirenena amin' ny fitondram-panjakana ara-dalàna, ary rahoviana no mety hanongana azy amin' ny fomba ara-dalàna, raha misy?

Ny rijan-kevitra ara-pôlitika ihany koa dia mametraka fanontaniana amin' ny sehatra midadasika kokoa, mandinika momba ny toetra ara-pôlitikan' ny trangan-javatra sy ny sokajy (kategôria) toy ny maha-izy azy (identity), ny kolontsaina, ny firaisam-pananahana, ny firazanana (volon-koditra), ny harena, ny fifandraisana eo amin' ny maha olona sy ny tsy maha-olona, ​​​​ny etika, ny fivavahana, ary ny maro hafa.

Ny filôzôfia pôlitika dia sampan' ny filôzôfia, saingy nitana anjara toerana lehibe teo amin' ny siansa pôlitika izy, izay nifantohana mafy teo amin' ny tantara ny fandinihana ara-pôlitika sy ny rijan-kevitra pôlitika ankehitriny (avy amin' ny rijan-kevitra pôlitika mametraka fenitra, mankany amin' ny fomba fiasa mitsikera samihafa) .

Ao amin' ny Oxford Handbook of Political Theory (2009), ny sehatry ny filôzôfia pôlitika dia nofaritana ho ezaka iraisan-taranja izay manana ny ivon-tsintony eo amin' ny siansan' ny maha olona izay eo amin' ny fiafaran' ny taranjan' ny siansa pôlitika izay mbola tsy voafehy. Nandritra ny fotoana ela, ny fanamby amin' ny maha-izy azy ny rijan-kevitra pôlitika dia ny fomba hametrahany ny tenany amin' ny fomba mahomby eo amin' ny toerana telo samy hafa: mifandraika amin' ny taranja akademika momba ny siansa pôlitika sy ny tantara ary ny filôzôfia; eo anelanelan' ny tontolon' ny pôlitika sy ny sehatra amadibadihana an' eritreritra ao amin' ny rijan-kevitra tsy azo tsapain-tanana kokoa; eo anelanelan' ny rijan-kevitra pôlitika kanônika sy ny loharano vaovao (toy ny rijan-kevitra feminista sy ny rijan-kevitra mitsikera, ny famakafakana lahateny, ny sarimihetsika sy nyrijan-kevitra momba ny sarimihetsika, ny kolontsaim-bahoaka sy kolontsaina pôlitika, ny fandalinana ny haino aman-jery, neorôsiansa, ny fandalinana ny tontolo iainana, ny siansa momba ny fitondran-tena, ary ny siansan' ny toekarena) izay itomboan' ny rijan-kevitra pôlitika[1].

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Dryzek, John S.; Honig, Bonnie; Phillips, Anne, eds. (2009-09-02). "The Oxford Handbook of Political Theory". Oxford Handbooks Online. doi:10.1093/oxfordhb/9780199548439.001.0001. ISBN 9780199548439.